ONIVERSITE ANKATSO : Tsy hihemotra amin’ny hetsika ny SECES

« Ho tontosaina ny talata izao ny hetsika lehibe ! ». Izany no fanamafisana nambaran’ny Filohan’ny Mpampianatra Mpikaroka (Seces), ny Pr. Ravelonirina Grégoire, io maraina io, teny Ankatso, manoloana ny valin’ny fitakian’izy ireo izay tsy nahafapo azy.

Koa nentaniny ny mpianatra rehetra, na ny efa mianatra na ny vao hiditra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo mba ho tonga maro amin’io talata io. Hisy manko mandritra izany, ny fampahafantarana sy filazalazana ny mikasika ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fanazavana  ny olana eo aminy ary ny vaha-olana tokony hiatrehana izany.

Fito ny fangatahana

Fangatahana miisa 7 eo moa no takian’ireto mpampianatra ireto. Anisan’izany ny fitakiana ny tambim-pikarohana nataon’izy ireo, izay mbola misy ny manao izany na dia efa misotro ronono aza. Eo koa ny sandan’ny ora fanampiny niasan’izy ireo,…

Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana siantifika anefa fa efa nisy tamin’ireo fangatahana ireo no novalian’ny fanjakana. Eo ihany koa ny fitakiana volabe, izay tokony hampiandrasana kely.

Etsy an-daniny anefa, ambaran’ireo mpampianatra fa tsy hijanona ny hetsika raha tsy misy ny valin’ny fangatahana mahafapo.

Manoloana izany dia nangataka ny fihaonana mivantana amin’ny Filoham-pirenena ireto mpampianatra ireto kanefa tsy mbola tontosa aloha izany hatreto.

Andrasana, araka izany, ny tohin’ny andro manaraka.

Vous aimerez aussi