ORINASA AGRISEM NANISANA : Misehatra amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fambolena

Ho fanampiana ireo Tantsaha sy ho fanabeazam-boho ary ho fanatsarana ny kalitaon’ny  asa fambolena no nanosika ny Orinasa Agrisem Nanisana hisehatra amin’ny fivarotana masomboly voafantina sy tsara kalitao noho izy ireo efa voatily teny anivon’ny laboratoira sy azo tahirizina anatin’ny fotoana maharitra. Tsy ahiana hohanin’ireo bibikely noho izy efa nasiana fanafody miaro azy ireo.

Anisan’ireo masomboly avangan’ity Orinasa malagasy Zato isan-jato sy miara-miasa akaiky amin’ny “Vondron’ny Tantsaha” ity ireo Vary anaty rano X16 48, X 265 ary ny Congo. Misy koa ny karazam-bary an-tanety ahitana karazany miisa dimy. Misy ihany koa ny katsaka, tsaramaso (Ranjon’omby sy ny Soa fianarana), soja, voanjo (mavokely fakana menaka) sy ny voanjo menabe izay natao ho fihinana ary ny voanjo marabe. Amidy ao amin’ny Agrisem etsy Nanisana ihany koa ny  karazana legioma sy anana. Misehatra amin’ny fivarotana ireo masomboly fampiasa ho fanamasahana ny tany (Voly rakotra) izay mahasolo ny fampiasana zezika simika ny Orinasa. Tombontsoa amin’ny fampiasan’ireo Tantsaha ny masombolin’ny Orinasa Agrisem etsy Nanisana ny fahazoana vokatra betsaka sy tsara kalitao anatin’ny fotoana fohy.

Avy any amin’ny faritra Ankadinondry Sakay sy Bongolava no hamokaran’ny Orinasa Agrisem ireo masomboly amidin’ny. Marihana fa mivarotra fitaovam-pamokarana toy ny angadin’omby, milina fiavam-bary vita Malagasy sy ireo kojakoja ilaina amin’ny asa fambolena ihany koa ny Orinasa Agrisem etsy Nanisana akaikin’ny fivarotam-oanafody (farmasia) Ny laharam-pinday 033 14 113 91 sy ny 034 60 701 08 no ahafahana mitafa amin’ny Agrisem ho an’ireo Tantsaha na Olon-tsotra liana ho amin’ny fiseharana amin’ny asa fambolena. Azo ambara ho amin’ny vidiny sahaza ny fahefa-mividin’ireo Tantsaha ny saran’ireo masombolin’ny Orinasa Agrisem Nanisana.

Vous aimerez aussi