Fifanaovan-tsonia teo amin’ny Banky eoropeanina momba ny fampiasam-bola na ny “Banque européenne d’investissement” (BEI) sy ny orinasa “Axian Telecom” no notontosaina teny Andraharo, ny 10 Aprily 2025. Fifanaovan-tsonian’ny roa tonta izay miompana amin’ny fampisitrahan’ny Banky eoropeanina momba ny fampiasam-bolana na ny “Banque européenne d’investissement” (BEI), famatsiam-bola, ny orinasa “Axian Telecom” izay mitentina 100 tapitrisa dolara.
Hanitaran’ny tambajotra Yas, ny fifandraisan-davitra eo amin’ny Antso sy ny SMS ary ny Aterineto eto Madagasikara sy any Tanzanie, ity famatsiam-bola ity. Ny 40 tapitrisa dolara no hatokana ho an’i Madagasikara raha ny 60 tapitrisa dolara no ho an’i Tanzanie. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny « Réseaux mobiles » ka hanohanana ny politikan’ny tambajotram-pifandraisana nasionaly mba hanatanterahana ny filàn’ny mponina izay mihamitombo hatrany eo amin’ny resaka fifandraisana indrindra fa ny fampandrosoana ny fivoarana nomerika. Ny tambajotra “Yas Madagascar” izay mampiasa vola betsaka eto Madagasikara raha oharina amin’ireo Tambajotra hafa noho izy manana fotodrafitrasa betsaka indrindra eto amintsika, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny hay ara-kajy mirindra sy ny paositra ary ny fampiroboroboana ny nomerika, Stephanie Delmotte. Ankoatra izay dia tsy mitsahatra ny manakaiky hatrany ny mpanjifa ny tambajotra Yas.
Tsy mijanona eto Madagasikara ihany mantsy izay fanatsarana ny fotodrafitrasa ara-pifandraisan-davitra izay fa hiitatra ho any Tanzanie. Efa hita any Sénégal sy Togo ary Comores, ihany koa, ny Yas. Mpanjifa manodidina ny 44 tapitrisa no mampiasa ity tambajotra ity ao amin’ireo Firenena rehetra ireo. Izany indrindra no hanamafisan’ny tambajotra Yas ny fampiroboroboana ny lafiny sosialy sy toekarena ary ny nomerika amin’ny alalan’ity famatsiam-bola ity, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny “Axian Telecom”, Hassan Jaber. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny “Global Gateway” izay entina hanohanana ny “Réseaux mobiles” ka hampisitrahana ny tambajotra 4G sy 5G, ity famatsiam-bola ity, araka ny fanazavana hatrany.


