« TSENABEN’NY FIZAHANTANY » ANDIANY FAHASIVY : Hisarihana ireo mpizahatany hitsidika ny harenan’ny Nosy

Ny andiany fahasivy amin’ny “Tsenaben’ny Fizahantany” izay karakarain’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara na ny “Office National du Tourisme de Madagascar » (ONTM) no fampirantiana hita eny amin’ny Zaridainan’Antaninarenina, ny 10 aprily ka hatramin’ny 12 aprily 2025.

Ity hetsika izay maneho ny hakanton’i Madagasikara ity dia entina mampahafantatra ireo harena voajanahary sarobidy tsy manam-paharoan’ny Nosy. Entina ihany koa hampisitrihana ireo vakoka nasionaly misy eto amintsika. Tanjona ny hisarihana ireo mpizahatany anatiny indrindra fa ireo avy any ivelany hitsidika ireo toerana manan-tantara. Raha manodidina ny 2.000.000 ny isan’ireo mpizahatany anatiny, nitety ny firenena malagasy, ny taona 2024, dia ny hampitombo izany isa izany alalan’ny fanentanana sy ny fampirisihana ny rehetra hitsidika no vina apetraka. Amin’ny alalan’ny foara isan-karazany toy ny Tsenaben’ny Fizahantany hanatanterahana izany. Tato anatin’ny telo taona izao dia nahitana fiakarana 20 % ny fitsidihan’ireo mpizahatany avy eto anatiny ireo faritra arovana eto Madagasikara raha nahitana fiakarana ihany koa ireo mpizahatany eto Antananarivo.

Tamin’ny alalan’ny « randonnée » izay nokarakarain’ny « Office Régional du Tourisme d’Analamanga » no nahafahana nanatontosa izany. Ny eto Antananarivo manokana moa dia mbola mibahan-toerana ny fizahantany ara-kolontsaina sy ny ara-tsakafo. Ity « Tsenaben’ny Fizahantany » andiany fahasivy izay maimaimpoana ho an’ny rehetra ity dia tsy mena-mitaha tamin’ireo “Tsenaben’ny Fizahantany” andiany 8 teo aloha, araka ny fanazavan’ny tale mpanatanterakay ny « ONTM », Barivelo Danny.

Vous aimerez aussi