Laharam-pahamehan’ny Orinasa “CoAgri” ny hanakaiky hatrany ny mpanjifany. Antony manoloran’izy ireo hatrany vokatra maro samihafa amin’ny endrika tsara kalitao. Vokatra vita amin’ny akora voajanahary avokoa araka izany no atolotr’izy ireo ny mpanjifa. Vokatra vita Malagasy ihany no amidin’ity orinasa ity ho an’ireo mpanjifa hatramin’izay niorenany izay ka hatramin’izao fotoana izao.
Nanombohan’izy ireo izany ny fanodinana ny akora voatabia ho lasa “ketchup”. Ny orinasa “CoAgri” izay tsy mitsahatra teo amin’izay famoronana vokatra atolotra ny mpanjifa izay. Nanitatra vokatra novokarina hafa amin’ireo akora hita eto an-toerana indray izy ireo avy eo. Anisan’izany ny fanamboarana vinaingitra, saosy soja, ranom-boankazo, “chilly” sy “chips” ary ireo maro samihafa. Ireo vokatra rehetra ireo izay tsy misy akora simika na iray aza. Mamokatra ny akora fototra malagasy dia manodina izany ho vokatra malagasy ho afaka ampiasan’ny olona maro mba hampihodina ny toe-karena malagasy no tanjon’ny orinasa. Miezaka manatsara ny vokatra mba ho araka ny fenitra araka izany ny orinasa “CoAgri”. Ity orinasa ity izay nandray anjara tamin’ilay hetsika ara-barotra “Andron’ny seha-pamokarana” izay nokarakarain’ny “A.N.M.C.C”, ny farany herinandro lasa teo, teny Mahamasina.
Anisan’ireo mandray anjara indray amin’ny hetsika ara-barotra “Foire Internationale de Madagascar-FIM” izay nanomboka ny 22 may ka hatramin’ny 25 may 2025, eny amin’ny CCI Ivato, ny orinasa “CoAgri”, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpitantana ny orinasa “CoAgri”, Ravelonjato Nirina.
