Taorian’ny fitetezana ireo faritra maro teto Madagasikara dia hita fa betsaka no niaritra aretina nohon’ny fisian’ny valan’aretina ary maro ireo tsy mitandrina amin’ny aretina. Na dia eo aza ireo ezaka izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana tobim-pahasalamana toy ny CSBI / CSBII, hopitaly manara-penitra sy ireo fitsaboana maro samihafa. Noho izany manaitra ny sain’ny olona rehetra ny mpitsabo Malagasy ao amin’ny FITRAMA mba hitandrina tsara. Indrindra amin’ny valan’aretina vaovao Variant Delta izay efa ahitana azy daholo ireo manodidina antsika eto amin’ny ranomasimbe Indiana. Maro ireo aretina mahafaty manjaka eto Madagasikara toy ny Tazo moka, aty, vavony, fibraoma, diabeta, kysta, aretin’ny fo, mangotsokotsoka, kibo, fahapatahana lalandrà, vanim-taolana, prostate, hemoraide. Noho izany dia nanapa-kevitra ny FITRAMA nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaim-poana nandritry ny 2 andro dia ny Sabotsy sy Alahady teo manerana ireo masoivoho FITRAMA rehetra manerana an’i Mdagasikara. Ho entina hanampiana ny fanjakana sy ho fitsinjovana ny vahoaka Malagasy izany. Nisokatra tamin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva ireo masoivoho 50 manerana ny nosy. Efa misandrahaka ary mbola hanatona ny vahoaka hatrany ny mpitsabo Malagasy FITRAMA. Ireto avy ny masoivoho vaovaon’ny FITRAMA dia ny Distrikan’Ampanihy, Distrikan’i Morombe, Ihosy, Toliary II (Ambalanomikanoa, Andaboly). Tana, Alakamisy Fenoarivo, Ambohimanarina, Itaosy, Avaradoha. Mbola ho avy ihany ko ny eny Ivato sy Ambanidia.
