Ny hampisandrahaka ireo orinasa malagasy amin’izao tontolo izao no tanjon’ny Fandaharanasa “Stanford Seed Transformation Program – STP” avy amin’ny Oniversiten’i Stanford any Etazonia. Efa miparitaka aty amin’ny Kaontinanta Afrikanina sy Aziatika rahateo izany fa tsy mijanona any amin’ny Tandrefana fotsiny ihany.
Ity Fandaharanasa “Stanford Seed Transformation Program – STP” ity dia efa miditra amin’ny andiany fahatelo ankehitriny. Anisan’ireo mahazo tombony i Madagasikara satria mandray anjara amin’izany amin’ny alalan’ireo orinasa malagasy. Nahatratra 12 ny isan’ireo orinasa malagasy tamin’izany. Izy ireo izay efa samy niasa nandritry ny telo taona. Ireo orinasa ahitana tompon’andraikitra mpitantana maro miampy ny fananan’io orinasa io vola mihodina hatramin’ny 15 tapitrisa dolara no anisany hahafahana mandray anjara amin’izao Fandaharanasa izao. Fampisitrahana tombontsoa mba hahafahan’ireo orinasa malagasy mandraharaha hatrany araka izany no fanamby apetraky ny Fandaharanasa “STP”. Madagasikara manokana hatramin’izay ka hatramin’izao dia efa nahita fiovana ara-toekarena noho ity Fandaharanasa, “STP” ity, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.

