ORINASA STAR : Mandray hatrany ny andraikitra ara-piarahamonina

Mitohy hatrany ny fandraisan’andraikitra ara-piarahamonin’ny orinasa STAR na ny “RSE”. Amin’ny alalan’ny fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara no hanatontosany sy hanatanterahan’ny orinasa izany. Anisan’izany ny fiaraha-miasan’ny ozinina “Malto” amin’ireo tantsaha amin’ny fambolena « orge ». Misy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny orinasa “MALTO” sy ny tantsaha. Fifanaraham-piarahamiasa izay manatsara ny fari-piainan’ireo tantsaha ireo. Maherin’ny Ar 10 miliara no fidiram-bola fanampiny notsinjarain’ny orinasa tamin’ireo tantsaha mpiara-miombon’antoka aminy ireo ho an’ny taom-piotazana “orge 2025”. Izy io dia hanehoan’ny orinasa STAR fa manome lanja ny fahaiza-manaon’ny malagasy ny orinasa ary mitondra tombony ara-tsosialy sy ara-toekarena amin’ny famokarana zava-pisotro vita malagasy. Ankoatra izay fiaraha-miasan’ny orinasa STAR amin’ny tantsaha izay dia manohana ny fanabeazana ihany koa izy ireo. Porofon’izany ny nanavaozin’ny orinasa STAR, sekoly miisa 18, tamin’ity taona ity. Nisy ny fanavaozana ny tafon’ny sekoly any amin’ireo faritra iasan’ny “MALTO”. Anisan’izany ireo manerana ny any Ambatofinandrahana, Ambovombe, Camp Robin, Fianarantsoa, Antsirabe sy Betafo ary Vinaninkarena. Mahatratra 2.176 m² ny velaran’ny sekoly nohavaozina, izay hahafahan’ny ankizy maherin’ny 3.200 manohy fianarana anatin’ny tontolo azo antoka kokoa. Ny orinasa STAR Madagasikara araka izany dia miasa ho an’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.

Vous aimerez aussi