“MMJ SOCIETY” : Hampisitraka ny “Foire Trano” sy ny “Le Grand Salon de Madagascar”

Ny 30 oktobra ka hatramin’ny 02 novambra 2025 no hikarakaran’ny orinasa “MMJ Society”, any Antsirabe, any amin’ny faritra Vakinankaratra, ny “éd 2025 Foire Trano: La Grande Foire de la construction et de l’habitation”. Ity andiany ity izay hotanterahana manoloana ny Gare Antsirabe. Ny hetsika ara-barotra dia hivalamparan’ireo mpandray anjara maherin’ny 80 isa ary hiandrasana mpitsidika miisa 15.000.

TRANO FIVAVAHANA “MI-AINA MIRINDRA” ENY SOAVIMASOANDRO AMBOHIDRAZANA : Nanatontosa “Fisoratam-panambadiana faobe”

Mi-Aina Mirindra

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra” eny Soavimasoandro Ambohidrazana, ny 19 septambra 2025, ny “Fisoratam-panambadiana faobe” izay nokarakarain’izy ireo. Tsy nanavahana olona avy amin’ny antokom-pinoana na antokom-pivavahana, ity “Fisoratam-panambadiana faobe” ity fa izay rehetra te hisoratra ara-panambadiana, dia afaka nanatontosa izany avokoa tao amin’ity Trano Fivavahana ity.

TANTARA ARA-TOEKARENAN’I MADAGASIKARA TAO ANATIN’NY 1.300 TAONA : Hampirantian’ny “Fthm Consulting” eny Antaninarenina

FTHM Consulting

Nanomboka ny talata 23 septambra ka hatramin’ny zoma 31 oktobra 2025, dia ny tantara ara-tsosialy sy ara-toekarenan’i Madagasikara, tao anatin’ny 1.300 taona, no hampirantian’ny orinasa “Fthm Consulting” sy ny Sampana Tantara eny amin’ny “FLSH” Oniversiten’Antananarivo, eny amin’ny “Cité des Cultures” Antaninarenina.

“MMJ SOCIETY” : Hampisitraka ny “Foire Trano” sy ny “Le Grand Salon de Madagascar”

Foire Trano Antsirabe

Ny 1 ka hatramin’ny 4 oktobra 2025, no hikarakaran’ny orinasa “MMJ Society”, any Antsirabe, any amin’ny faritra Vakinankaratra, ny “éd 2025 Foire Trano: La Grande Foire de la construction et de l’habitation”. Ity andiany ity izay hotanterahana manoloana ny Gare Soarano. Ny hetsika ara-barotra dia hivalamparan’ireo mpandray anjara maherin’ny 80 isa ary hiandrasana mpitsidika miisa 15.000.