STAR TOUR ANTSIRABE 2026 : Nafana ny ambiance, afa-po ny rehetra

Star Tour Antsirabe 2026

Na teo aza ny olan’ny herinaratra nisy tany amin’ny tanànan’Antsirabe nandritra ny fetin’ny Paska dia tsy nampisy olana ny fety Star Tour Antsirabe izay nokarakarain’ny Star izany. Nampiasa “Groupe électrogène” goavana ny Star mba hamatsiana jiro sy ny feo ary ireo fitaovana rehetra nampiasaina mba hampizotra antsakany sy andavany ny fandaharam-potoana. Fahombiazana tanteraka araka izany no hita tany an-toerana nandritry ny telo andro.

GROUPE PROSH'ELY - KAIAMBA TENA IZY : Hanolotra "Cabaret nostalgique"

Ny mpanakanto Prosh'ely. Andrarezin'ny filalaovana ny mozika, anisan'ny hanafana ny "Cabaret nostalgique".

Ny alin’ny Zoma 03 aprily hoavy izao, eny amin’ny Espace Jerosalema Imeritsiatosika, no hanolotra ny “Cabaret nostalgique” ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy. Ny “Apponame studio” no miketrika ny hetsika. Nomarihan’i Apponame fa hovazoina eny an-toerana ireo hira nanamarika ny taona enimpolo, fitompolo, valompolo ary ny sivifolon’ireo Mpanakanto malagasy sy vahiny.