PASTORA JEAN PAUL RAKOTONIRINA MIVADY : Mampiara-dia ny fikoloana ny fanahy sy ny vatana

Ny Pastora Jean Paul Rakotonirina sy ny pastora Brigitte vadiny, no angady nananana sy vy nahitana ny fiangonana Rhema fanafahana International Soavimasoandro. Ity farany izay niorina ny taona 2005 ara-panjakana. Ny pastsora Rakotonirina Jean Paul raha tsiahivina no ansian’ireo namolavola hatrany am-piandohana ny fiangonana ihany koa ny Rhefi Soavimasoandro izay efa misy rantsana any Manakara, Farafangana, Befotaka, Vondrozo ary Iarovana karolina Vatomandry.

Mikolokolo ny fanahy sy ny vatana

Ankoatra ny asa fitoriana manerana ny Nosy, tsy hadinon’ireto Pastora mivady ireto ihany koa ny fiahiana ny ara-nofo amin’ny alalan’ny asa sosialy izay tarihan’ny Pastora Brigitte dia ny fanatanterahana ny « Loharanom-Pahasoavana Soavimasoandro” na LPS. Hetsika fizarana sakafo ho an’ny mpitondra tena sy sahirana ao amin’ny fiangonana izy io rehefa asaramanitra.

Mampiasa ny teknolojia avo lenta amin’ny alalan’ny tamban-jotran-tserasera toy ny face book, youtube ihany koa ny Rhefi Soavimasoandro ho fanabeazam-boho ny asan’Andriamanitra. Anatin’izao fihibohana izao, manatanteraka fitoriana filazantsara amin’ny fahitalavitra tsy miankina ara-pilazantsara eto an-drenivohitra ihany koa ny fiangonana.

Mandray anjara mavitrika amin’ny asa fitoriana ihany koa ireo tanora Rhefi Soavimasoandro, izay tarihan’I Narindrampamonjena Rakotonirina. Ny fiangonana dia miara-miasa amin’ny rehetra izay vonona hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena. Halavirin’izy ireo tanteraka ny resaka politika.

“Mila manetry tena sy mivavaka ny Malagasy ka hitady an’Andriamanitra ary hiala amin’ny ratsy fanaony dia hiaino azy any an-danitra ny Tompo ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny”. Io no fanehoan-kevitra nentin’ny Pastora Jean Paul Rakotonirina manoloana ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara ankehitriny.

Vous aimerez aussi