PRINTSY ANDRY RODRIGUE : "Azo ovaina ny vintan'i Madagasikara..."

Mitondra ny vintana Alakaosy i Madagasikara. Iray amin’ireo vintana mavesatra ny mitondra azy noho izy mahery koa mety hitarika olana misejo amin’ny sakana marolafy manao randra mitarika izay hahasarotra ny hahazoana ny fahombiazana amin’izay rehetra kasaina hatao raha toa tsy voafehy. Azo atao tsara, hoy, ny PRINTSY Andry Rodrigue ny manova ny vintana Alakaosy izay baben’ i Madagasikara. Manana ny fahaiza-manao amin’izany rahateo ity “Lehilahy maherin’ny fikirakirana ny fomba amam-panaon’ny Malagasy sy nandalina manokana ny tontolon’ny siansa sy ny fizika” ity.

Nanteriny nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa mila ny fandraisan’andraikitry ny Vahoaka tsy vaky volo ny fanatanterahana ny fanovana ny vintan’i Madagasikara. Tsy mendrika iaina fahantrana lalina tahaka izao ny Malagasy, hoy, hatrany ny PRINTSY Andry Rodrigue, koa vonona ny hanohy ireo sehatrasa maro efa natombony hatramin’izay ny lehilahy mba ho fanampiana ireo mpiara-belona aminy. Marihana fa izy no angady nanana sy vy nahitana ny “HELIOSERA” Ity farany izay fomba fiseraserana malalaka sy tsy misy sarany amin’ny alalan’ny fampiasana ny masoandro. Maro ireo Olombelona saika manerana ny Nosy maro no efa nahita fahombiazana tamin’ny fampiasana azy ity teo amin’ny famahana ireo olam-piainana miseho amin’ny endriny marolafy.

Mitazona hatrany ny fomba fijeriny dia ny tsy maintsy iverenan’ny Malagasy “an-doharano tena izy” ny PRINTSY Andry Rodrigue raha te handroso sy hiadam-pinaritra. Ampahany amin’ireo tombontsoa azo amin’izay fiverenana “an-doharano tena izy” izay ny fahafahana manova ny Vintan’i Madagasikara. Ny laharana 034 89 120 56 no ahafahana mitafa mivantana amin’ny PRINTSY Andry Rodrigue. Ity farany izay mitondra ny anjara birikiny ihany koa amin’ny famahana ireo olan’ny mpiara-belona aminy. Tabiha sy rehareha ho an’i Madagasikara ny fananana Olombelona mahay mampiara-dalana ny fomba amam-panao nentim-paharazana sy ny Siansa tahaka izao. Inoana tsy isalasalana fa antoky ny isian’ny fampandrosoana ny fifamenoana eo amin’ireo lafin-javatra roa tsy tokony mifanohitra ireo raha voafehy ny fikirakirana azy eo amin’ny fiainana.

Vous aimerez aussi