RADAVIDSON ANDRIAMPARANY : “Raha tsy miverina ny fahamarinana, tsy misy fandrosoana handroso eto”

Nitondra ny heviny manoloana ny zava-misy ankehitriny, atoa Radavidson Andriamparany avy amin’ny K3F na “Komitin’ny Fahamarimanana Fandriampahalemana Fiadanana” no sady efa ministra teo aloha, ny sabotsy teo. “Tsara ny manao jery todika sy maka lesona hanatsarana ny fomba fitantanana”, hoy izy. Tsy ho araky ny fanjakana ny hizara fanampiana isan-tokantrano ary tsy ho zakan’ny toe-karena. Ny resaka Komity Loharano, vary mora,… vao maika manakorontana, mampiady, miteraka fifampialonana,… Izahay K3F dia mametraka, fa “raha tsy miverina ny fahamarinana dia tsy misy fandrosoana azo antenaina izany eto”, hoy hatrany Radavidson Andriamparany. Mila araraotina hijerena ifotony ny zava-misy ny fandalovan’ity covid 19 ity. Ahoana ny fanabeazana ohatra, satria tena latsaka ambany be io? Misy Malagasy tsy mahalala ny covid 19 akory. Ny lafiny ara-toekarena, inona no tokony hamboarina fa tsy hoe hiantehitra fotsiny amin’ny fanampiana avy any ivelany. Ho loza satria mangeja antsika ireny fanampiana ireny. Fotoana izao hijerena paikady manokana hanetsehana ny zavamisy eto amintsika. Misy vola be mifamezivezy eto, kanefa tsy voafehy ka mahatonga fikorontanana. 1,6% no tombatomban’ny fitombon’ny harinkarena. 2,5% anefa fitombon’ny mponina. Miiba izany raha ny fijeriko, hoy izy, izany hoe tsy misy fandrosoana eto, hoy hatrany ity minisitra teo aloha ity. Raha miankin-doha isika dia ny fepetra any ivelany no arahantsika, mety tsy mety amintsika akory fa dia tsy maintsy ekena. Samy hafa ny hoe adihevitra sy fanakianana, hoy izy. Aoka isika tsy ho variana amin’ny coronavirus fotsiny fa mandinika sy mametraka paikady hanatsarana ny fiarahamonina sy ny fitantanana ny firenena mba hanamafy orina ny fihavanana, hoy Radavidson Andriamparany.

Vous aimerez aussi