24 taona katroka anio sabotsy 27 jona no nijoroan’ny onjam-peo Radio Don Bosco, raisina eo amin’ny maridrefy 93.4 FM, manana ny foiben-toerany eny Ivato. Fampielezam-peo miankina amin’ny finoana katolika. Manome lanja manokana ny lafiny fanabeazana ara-batana, ara-panahy ary ara-tsaina ny onjam-peo.
Onjam-peo feno
Manabe, mampita vaovao, manala voly. Ireo no mandrafitra ny antom-pisian’ny RadioBon Bosco hatramin’izay 24 taona nisiany izay. Ankoatra ny fanomezana sehatra ny lafiny fanabeazana, tsy mikely soroka amin’ny fanabeazam-boho ny finoana katolika ihany koa ny Radio Don Bosco.
Anisan’ny ankafizan’ny maro ny Radio Don Bosco ny famoahany sy famphafantarany ny vaovao mitranga rehetra. Tsy mba anisan’ireo onjam-peo sasantsasany voafatotry ny firehana na loko politika, araka izany, ity onjam-peo miankina amin’ny finoana katolika ity fa miezaka mampita sy mampahafantatra hatrany ireo trangam-baovao amin’ireo mpihaino mba ahafahan’ireto farany mamakafakafa sy mandinika manoloana ny tranga rehetra misy.
Amin’izao tsingerin-taona faha- 24 nijoroan’ny Radio Don Bosco izao, namporisika hatrany ny hanohizan’ity onjam-peo ity ny fampitana ny vaovao rehetra tsy misy ankanavaka ho an’ireo mpihaino azy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard. Mendrika ahhazo ny vaovao rehetra ny mpihaino, hoy izy. Hetahetan’ireo mpihaino ihany koa ny hampitomboana ireo faritra afaka mandray ny maridrefy 93.4 FM.
Nampanantena ireo mpitantana eo anivon’ny RDB fa ho jerena akaiky ny fomba ahafahana hanatanterahana izany. Tsy hivaona amin’ny lalana efa nosoritana hatramin’izay ihany koa ity onjam-peo manana ny maha izay azy ity dia ny hanabe, hampita vaovao ary ny hanala voly.Mirary ny Radio Don Bosco hahaleo hahalasa hatrany eo ampamakivakiana ny lalan-tsarotry ny asa fanaovan-gazety.
