Natsahatra ny fanenjehina an-d Raharison José William, Mpikabary. Io no didy nivoaka androany teny amin’ny Fitsarana.
Tsy mitombina intsony, araka izany, ny fanenjehina nokasain’ity Mpitsara ity atao amin’ilay Mpikabary noho ny resaka tandra, izay noheveriny ho nanivaiva sy nanala-baraka azy imasom-bahoaka.
Hatraiza ny maha-Mpitsara ?
Nasian’ny Fikambanan’ny Mpikabary teny moa ny raharaha ka niarahan’izy ireo niredona fa tokony ho eny anivon’ny Tribonaly sy ny birao ihany no hanaovana ny asa maha-Mpitsara fa tsy ety ivelany. Tokony hiaina tahaka ny olon-tsotra, noho izany, ny Mpitsara fa tsy manararao-pahefana amin’izay toerana misy azy rehetra.
Nanterin’izy ireo ihany koa ny tokony ho toetran’ny mpitandro filaminana, izay tsy tokony hanaiky ho fitaovam-pamoretana ka tsy hanaiky ny hanao fisamborana tsy misy taratasy.
Fandresena
Na izany aza, azo heverina ho fandresen’ny Mpikabary ihany ity androany ity satria nandritra ny herinandro no efa nanaovana antso avo tamin’ny tompon’andraikitra samihafa ny amin’ity fitoriana tsy mari-pototra ity, satria manambany tanteraka ny kolontsaina malagasy, izay tokony hasandratra ambony izany.
Kabary am-panambadiana
Raha tsiahivina moa dia ny 14 desambra lasa iny no nisehoan’ity raharaha ity, teny Alarobia Amboniloha. Fotoana nangatahana an-drazazavavy, zana-drahalahin’Ingahy Mpitsara.
Voalaza nandritra ny kabary ny hoe : « Manatrika eto ny raimandreny tena manja, fa na ny tarehiny aza voaravaka tandra ».
Koa asa na voatsindrona manokana noho izany ity Mpitsara fa avy hatrany dia niantso mpitandro filaminana. Nofitahina ilay Mpikabary hoe misy mitady anao ao ivelany ao. Kanefa dia noraofin’ny polisy izy ary notanana 48 ora tany amin’ny « violon ».
Resa-pianakaviana tsotra izao ilay raharaha fa tsy kabary teny an-kianja akory. Ankoatra izany, nanao fialan-tsiny ny Mpikabary ary nanao raharaham-pihavanana na dia tsy faniratsirana aza ilay teny, kanefa tsy nahoan’Ingahy Mpitsara izany fa ny hisambotra sy ny hitory hatrany no masaka an-tsainy.
Potika ny kolontsaina
Manahy ihany ny mpanakanto malagasy, indrindra ny Mpikabary manokana raha hosihosena tahaka izao ny kanto malagasy, satria toa valalan’amboa izy ity raha izao, ka ny tompony aza tsy tia.
Tsy afa-misaraka amin’ny kabary manko ny malagasy. Sarobidy loatra amin’ny kolontsaina izany, satria lahateny atao amin’ny feo avo eo imasom-bahoaka. Tsy maintsy ravahana hainteny sy ohabolana izany. Ary karazany maro no anaovana ny kabary, toy ny am-pandevenana, am-panambadiana, an-danonana, ara-pokonolona, ara-politika, amin’ny hiragasy…, ary ny Ntaolo no namorona azy ireny.
Oha-pitenenana ihany
Raha nikabary ny Minisitry ny Filaminana ka nanambara fa « Tsy biby fampitahorana akory » ny polisy. Afaka nitory koa zany ny polisy sisa rehetra satria nampitoviana tamin’ny biby ve ?
Misy hatrany ny teny fanoharana sy mahatsikaiky eny anelanelan’ny kabary eny, kanefa tsy natao hamelezana na iza na iza izy ireny fa natao hahamora ny fandraisan’ny mpihaino ny hafatra aza.
Tsy maintsy voateny anatin’ny kabary ny zavatra maro, toy ny sola, ny banga,…Ka tsy ampiasaina intsony ve izy ireny ?
Andro tokana ihany
Ny andro natokana ho an’ny sembana ihany hatreto no niangaviana ny rehetra mba tsy hanaovana teny sy kabary momba azy ireny. Anisan’izany, ohatra, ny sima, ny boka,…
Izany dia natao mba ho fanajana ny fiaraha-monina ihany fa tsy hahafoana ny oha-pitenenana velively akory.
