RAHARAHA TETIBOLAM-PANJAKANA : Tsy ho ela ny tsirefesimandidy sy ny jadona

Ho tonga ny tsirefesimandidy raha izao no mitohy ary didy jadona no hiafaran’io ka hanao izay tiany hatao ny Fitondrana. Tenin’ny Jeneraly Ramakavelo izany, manoloana ny disadisa teo amin’ny fandaniana ny tetibolam-panjakana 2020, ny faran’ny herinandro lasa teo iny.

Efa tamin’ny tetezamita io

Efa nitranga tamin’ny fotoan’ny tetezamita ny tahaka ireny, hoy ny Jeneraly. Izy izay efa mpikambana teo anivon’ny CST, tamin’ny fotoan’andro.

Misy tetika ambadika sy tetika efa maty paika tamin’ny fomba fiasa nanombohana  iny fandaniana volavolan-dalàna teny anivon’ny Antenimierampirenena iny.
Fomba fiasa efa hita tamin’ny andron’ny tetezamita ny fisian’ny fanerena ankolaka ny fandaniana  tetibolam-panjakana.

Koa ankoatra ny endrika jadona dia fanamaivanana ny Antenimierandoholona iny tranga niseho iny.

Misy ny zavatra mbola anaty fonosana kanefa dia anangana-tanana sahady kanefa dia zava-dehibe iankinan’ny aim-pirenena.

Maro an’isa ry zareo

Maro an’isa ry zareo eo anivon’ny Antenimierampirena, ka inona intsony moa no andanian’ny Senetara  rondoha raha mba te-hitondra fanovana izy, kanefa ny hevitry ny Solombavambahoaka ihany no izy ?!

Manoloana izany no mahatonga ity Jeneraly misotro ronono ity mihevitra fa hisy ny tsirefesimandidy raha izao no mitohy ary didy jadona no hiafaran’io. Noho izany, tsy tokony hanontany ny hevitry ny hafa intsony izy fa izay tiany hatao no ataony.

Nanterin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, moa nandritra ny fanadihadiana azy fa tsy nety ny fomba fiasa teo amin’ny « navette parlemantaire ». Raha nisy volavolan-dalàna 10 nodinihana ohatra, hoy izy, dia tokony ho nanana 5 avy ny Antenimiera roa tonta.

Vita anefa iny ny raharaha. Raharaha izay mitondra henatra lehibe eo anivon’ny mpanao lalàna malagasy, manoloana izao tontolo izao.

Vous aimerez aussi