Tetikasa madinika 4 no efa vitan’ny Boriborintany fahatelo amin’izao, araka ny nambaran’ny delege, atoa Ramiandrisoa Lalaina Rabaritsimba. Araka ny fanazavany, dia mikasika ny asa mivantana eny anivon’ny Boriborintany fahatelo, araka ny fandaminana eo anivon’ny kaominina, dia miasa tanteraka ny delege sy ireo mpiara-miasa aminy, amin’izao fotoana izao ary mizotra araky ny tokony ho izy ny asa. Asa voalohany nataon’ny delege, vita ny sarona dalle ao Ampandrana andrefana. Ny eny Ambohitrakely voasarona ireo dalle izay nampitaraina ny mponina. Efa vita ihany koa ny asa eny Behoririka Ankaditapaka. Mandeha ny asa ary ho vitaina ny “passerelle” izay manampy ny olona amin’ny fahavaratra ao Mandialaza Ambatomitsangana. Hisoro amin’ny tetikasa fahadimy ny Boriborintany fahatelo, hoy hatrany ny delege. Mbola maro ireo asa miandry ary maro ireo ezaka mbola miandry ny Boriborintany fahatelo, hoy ny fanazavana. Ankoatra izay dia efa mandeha ihany koa ny jiro amin’ny andrin-jiro izay miainga eo Besarety, Avaradoha ary mipaka hatrany Ampasampito, hoy hatrany ny tatitry ny delege.
