Hotanterahan’ny Antenimieran’ ny Varotra sy ny Indostria Analamanga na ny “CCIA” eny amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy, ny andiany fahadimy, amin’ilay hetsika ara-toekarena antsoina hoe: “Ranty vokatra”, amin’ity taona 2025 ity. Eny amin’ny kianja manara-penitra Mahitsy no hanasongadinana izany. Izy io izay hanomboka ny 20 ka hatramin’ny 21 jona 2025.
Noho ny fepetra isan-karazany apetraka no nisafidianana ny kaominina Mahitsy. Antony dia noho ity kaominina ambanivohitra ity manana tombony lehibe eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Ny 85 % amin’ireo mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy dia tantsaha mpamboly sy mpamokatra ary mpanao asa tanana avokoa. Ankoatra izay dia entina hanasongadinana ny harena ara-kolontsaina sy ara-javakanto any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy ity hetsika ara-toekarena ity. Na ireo kaominina manodidina ny kaominina ambanivohitra Mahitsy ihany koa aza dia tantsaha mpamboly sy mpiompy ny ankamaroany. Ireo sakafo fihinanana andavanandro na avy amin’ny fambolena na avy amin’ny fiompiana araka izany dia vokarina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy avokoa ny ankabeazany. Ity “Ranty vokatra” ity araka izany no hanasongadinana ireo vokatra rehetra mampiavaka ny kaominina ambanivohitra Mahitsy.
Tanjona ny hampirisihana ireo orinasa mpampiasa vola mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ ny Varotra sy ny Indostria Analamanga mba hiara-hisalahy amin’ny kaominina. Vina apetraka amin’izany ny mba hanampiana ireo tantsaha amin’ny fitadiavana lalam-barotra. Fihaonam-be mifanindran-dalana amin’ny fanamafisana ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ihany koa ny hetsika. Eo ihany koa ny fitadiavana lalana manodina sy mitahiry ireo vokatra. Manodidina ny 35 ny isan’ ireo mpandray anjara amin’ireo Tranoheva amin’ity taona ity raha toa ka 30 izany tamin’ny hetsika teo aloha. Fikambanana sy Kaoperativa ny 18 amin’ireo 35 isa ireo, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy, Rakotomanga Razaka Dilo.
