"RÉVEILLON 2025" : Hiavaka ny etsy amin'ny "Madagascar espace" Behitsy route by-pass

Ankoatry ny fiakarana an-tsehatra iarahana amin’i Raouto sy i Chantal izay samy hiseho amin’ny endrika feno (au grand complet) Hotanterahana ao amin’ny efitrano malalaka “Baobab” izay ao anatin’ny “Madagascar espace etsy amin’ny by-pass Behitsy. Hisokatra ho an’ny rehetra eny an-toerana ihany koa ny “Espace Ravinala” izay ho hafanain’ireo Mpanakanto samy manana ny maha izy azy sy milalao gadona maroloko. Ahitana an’i Glopôpôpy, Pépé ary i Ndrina. Hisy ihany koa ny lalao isan-karazany toy ny daomy, belotes, fanorona, échec hatao eny amin’ny “terrasse”. Nomarihan’ireo mpikarakara fa hisy ny fanolorana fanomezana tsy ampoizina ho an’ireo hivoaka ho mpandresy amin’izany. Ankoatra ireo rehetra ireo hisokatra ho an’ny rehetra ihany koa ny dobo filomanosana ho an’ireo mankafy mamarana ny taona amin’ny “Piscine nocturne” Tsy isalasalana fa samy hahazo ny manandrify azy avokoa, araka izany, ireo rehetra hihazo ny “Madagascar espace, etsy amin’ny by-pass Behitsy, ny alin’ny rahampitso Alarobia 31 desambra. Ny laharana 034 07 717 26 / 11 sy ny 033 23 717 26 / 11/18 no hahafahana mifandray mivantana amin’ireo mpikarakara. Azo antoka ny fitandroana ny fahalemana sy ny fiambenana ireo fiarakodia, kodiaran-droa ho an’ireo hitondra izany eny an-toerana. Ny masoandro mioosaka tokoa no hampalahelo.

Vous aimerez aussi