“REVY REVY MODY MASOANDRO” ANDIANY FAHATELO : Eny Ivato amin’ny 27 jolay 2025

Ny andiany fahatelo amin’ny “Revy Revy Mody Masoandro” indray no hatolotry ny “Louvto Company”, ny mpankafy, ny 27 jolay 2025, eny amin’ny “Parking CCI Ivato”. Fampisehoana izay hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hampiaina mozika ireo mpankafy amin’io takariva io, ny Tarika Mahaleo sy ny Taranany, Lolo sy ny tariny ary Samoela. Ankoatry ny fampisehoan’ireo mpanakanto telo tonta ireo eny an-tsehatra dia hampiavaka azy ity ny hira hifandimbiasana sy hampiaraham-peo eny amin’ny “live parking”.  Hisy ihany koa ny afon-dasy sy ny sakafo ary ny tsakitsaky maro isan-karazany izay amidy amin’ny vidiny mirary. Tsy diso anjara ihany koa ny zava-pisotro “THB” avy amin’ny orinasa Star izay manohana ny mpanakanto rehetra hatramin’izay ka hatramin’izao. Hanentana izany kosa i Eric sy Honorat. Nasiam-panavaozana betsaka tamin’ny alalan’ireo fanatsarana maro samihafa ity andiany ity mba tsy hisian’ny lesoka sahala ny tamin’ny taon-dasa. Anisan’izany ny fanamafisam-peo. Hojerena manokana ihany koa ny mahakasika ny fitaterana olona mandroso sy miverina amin’ny mahaalina ny andro. Azo jifaina ao amin’ny tambajotra ao amin’ny Billet Clic (VIP, GPLD) ny karatra voatokana raha amidy eny an-toerana amin’ny andron’ny fampisehoana ny karatra tsotra. Ny hampivelatra manerana ny Nosy ny “Revy Revy Mody Masoandro” no tanjon’ny tompon’andraikitra mpikarakara amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny  tompon’andraikitra mpikarakara avy amin’ny “Louvto Company”,  Rabemananjara Malala.

Vous aimerez aussi