“Mila mandray andraikitra ho amin’ny fanarenana ny Firenena amin’ny lafiny rehetra toy ny sosialy, politika, fiarahamonina, sns ireo Tanora malagasy tsy ankanavaka noho izy ireo handrafitra ny hoavin’ireo taranaka” hoy, i Rova Andrianjaka. Ity farany izay anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny “Tanora Tiako i Madagasikara” izay efa misehatra mavitrika ho amin’ny fitondrana ny anjara biriky manandrify azy ho fanampiana ireo mpiara-belona aminy.
Anisan’ny fitaovana mahomby ahafahana manabe, mitaiza sy hampitiavana ny Soatoavina Malagasy toy ny fihavanana, firaisankina, fandeferana ary ny fahaiza-mihaino ny hafa eo amin’ireo samy tanora ny fanaovana fanatanjahatena. Ireo mitambatra no nanosika an’i Rova Andrianjaka tsy nisalasala nitarika ireo Tanora eny Anjakaivo Itaosy Antananarivo atsimondrano hilalao ny taranja baolina lavalava sy ny kitra. Tsapa, hoy i Rova Andrianjaka fa tafita amin’ireo Tanora ny endrim-panabeazana tiana hampitaina tamin’izy ireo. Tsy mijanona hatreo amin’ny fanaovana fanatanjahatena ny fanabeazana ireo Tanora ataon’ity Tanora Tiako i Madagasikara ity fa mandray andraikitra ho amin’ny fanamboarana sy fikojakojana ireo lakandrano sy tatadrano ary tohadrano madinika ao amin’ny faritra misy azy ihany koa ny tovolahy. Antoka iray lehibe hahabetsaka ny voka-bary ny fahafehezana ny rano. Miara-dalana amin’ny fitaizana ara-tsaina, fanahy ary vatana ireo Tanora ny fametrahana isam-pokontany ireo “Filan-kevitry ny Olon-kendry” Izy ireo izay hivondronan’ireo raiamandreny “Olobe” apetraky ny Fikambanan’ny fiarahamonina. Ireo “Filan-kevitry ny Olon-kendry” no toy ny aro fanina apetraka mba tsy hampibirioka ireo Tanora sy ho rantsana mpanara-maso ny fizotran’ny fiainan’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny.
Tsy azo lavina mantsy, hoy, hatrany i Rova Andrianjaka fa ” Ny Tanora mahery mandeha fa ny Raiamandreny no mahita ny lalana” Rehefa tafapetraka izay fomba fiasa sy fijery izay dia inoana fa tsy ho ela ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainam-piaraha-monina izay nopotehan’ny fitiavan-tena diso tafahoatra sy ny zarazarao hanjakana nandrava ilay hasin’ny fihavanana sy ny firaisankina notoavin’ny Malagasy fatratra izay antoka nampirindra ny fiaraha-monina fahizay. Mila haverina ihany koa ny fandalana ny Fahamarinana ary ny fahatahorana an’ilay Zanahary an-tampon’ny loha. Mila mandray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena tokoa, araka izany, ireo Tanora fa tsy hanjeny andro lava amin’ny rendrarendra sy ny mamirapiratra ivelany tsy hitera-bokatsoa ho azy ireo sy ny Firenena akory. Mila resena ihany koa ny tahotra hijoro ho amin’ny fampanjakana ny fahamarinana.
