Ny hanala sahirana ireo matihanina misehatra eo amin’ny tontolon’ny asa fanamboaran-trano indrindra fa ireo olon-tsotra mitady vahaolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano no tanjon’ny orinasa “MadaVision” amin’ilay hetsika ara-barotra « Salon International de l’Habitat et déstockage pro 2025 ». Ity hetsika izay iarahan’ireo orinasa maro mampiranty sy ny tompon’andraikitra mpikarakara ity dia hotanterahana ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriambe iraisam-pirenena na ny “CCI” eny Ivato.
Ity famondronana ny hetsika ara-barotra ho amin’ny toerana iray ity dia hiandrasana mpitsidika maherin’ ny 20.000 isa raha handraisan’ireo tranoheva miisa 400 anjara izany. Anisan’ireo handray anjara amin’izao hetsika ara-barotra izao ny teratany vahiny. Izy ireo izay maniry ny hifanakalo traikefa amin’ireo mpandraharaha mitovy aminy avy eto an-toerana. Ireo mpandray rehetra amin’izao hetsika ara-barotra izao dia tsy maintsy manaraka ireo dingana rehetra apetraky ny tompon’andraikitra mpikarakara. Fanambin’ny orinasa “MadaVision” ny hampiroborobo ireo vokatra sy tolotra eo amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny haingon-trano ary ny fanaka mba ho amin’ny vidiny mirary. Antony hanoloran’ireo orinasa izay handray anjara amin’ny “Salon déstockage pro”, fihenam-bidy hatrany amin’ny 10% amin’ireo entana ao aminy.
Vina apetraka ny mba hahafahana misintona ny mpanjifa sy mba ho fanampiana ireo orinasa ireo hanala ireo entana tahiry ao aminy. Efa nanomboka ny alarobia 30 jolay 2025 ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry handray anjara amin’ny hetsika ara-barotra « Salon International de l’Habitat et déstockage pro 2025 ». Hahazo fihenam-bidy hatramin’ny 15% amin’ny hofan’ny tranoheva ireo misoratra anarana hatramin’ny 15 aogositra 2025, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ara-barotra ao amin’ny orinasa “MadaVision”, Randrianasolo Hery.


