SAMPANA MPAMONJY VOINA ENY TSARALALANA : Miezaka manatsara hatrany ny famonjena voina

5% amin’ireo antso an-taroby miisa 200 voarain’ny Sampana Mpamonjy voina eny Tsaralalana ihany no tranga tena misy fa hanihany fotsiny ihany ny ambiny.

Manoloana ny tranga misy dia handray fepetra ny Sampana Mpamonjy voina ka hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana sy ireo orinasam-pifandraisana misy eto Madagasikara izy ireo mba hanenjika ireny olona manadala fotsiny ihany ireny. Ny Sampana Mpamonjy voina eny Tsaralalana nandritra izay 75 taona nijoroany izay dia manana toby miisa 5 manerana ireo Boriboritany miisa 6 eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny eny amin’ny Boriboritany fahaefatra ihany sisa no tsy ahitana Toby misy azy ireo. Efa misy anefa amin’izao fotoana izao ny dingana fanomanana ho amin’izay fanorenana Toby izay, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Sampana Mpamonjy voina eny Tsaralalana, ny Commandant Ralaivaonoro Eric Olivier. Mahatratra 367 ny isan’ireo mpiasa ao amin’ny Sampana Mpamonjy voina. Ny 22 amin’io isa io no vehivavy. Tsy ampy ho an’ny mponina eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra anefa io isa io ka tokony hampiditra mpiasa ny Sampana Mpamonjy voina. Ny mpamonjy voina iray dia tokony hisahana olona miisa 800 raha toa olona miisa 7.820 no sahanin’ny mpamonjy voina iray ankehitriny.

Ny Sampana Mpamonjy voina dia mamolavola hatrany izay paikady entina hanatsaràna hatrany ny asa famonjena voina eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Ny trangan’ny voina eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay efa nahitana fihenana raha mitaha ny tamin’ny teo aloha. Ny Sampana Mpamonjy voina izay afaka miara-miasa amin’ireo Sampana Mpamonjy voina any amin’ny kaominina hafa mba mampihena hatrany izay trangan’ny voina izay eto amintsika. Fantatra ireo rehetra ireo nandritry ny fanaovan’ny Sampana Mpamonjy voina eny Tsaralalana, tatitra mahakasika ny asa vitan’ireo ny taona 2024.

Vous aimerez aussi