SAMPATI FJKM SOANIERANA - 65 TAONA : Ho marolafy ireo hetsika fankalazana

Mandia ny faha dimy ambiny enimpolo taona nitaizana sy nanabeazana ireo zanaky ny Fiangonana eo anivon’ny FJKM Soanierana amin’ity taona ity ny Sampana mpanazava sy tily “Salohy faha-enina”.

Hosokafana amin’ny fanompoam-pivavahana ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra, hotanterahana ny Alahady 30 Novambra maraina ny Ivon’ny fankalazana, hoy, ny Filohan’ny komitin’ny fankalazana Rakotoniaina Bearisoa (Filoha Fonjoro miriaka).

Nohamafisin’ny ny filoha lefitra misahana ny hetsika Razafindralambo Eddy (Fil Randy) fa hanao tojivakana ireo lanonam-pankalazana. Tafiditra anatin’izany ny fanatanterahana ny “Garden-party” Anisan’ny hampiavaka ny fotoam-pankalazana ny hisian’ny filalaovana tantara an-tsehatra hiompana amin’ny lohahevitra marolafy toy ny fitiavan-tanindrazana. Marihana fa maro amin’ireo mpilalao sarimihetsika fanta-daza no efa mpikambana teo anivon’ny Sampati FJKM Soanierana “Salohy faha-6” Ny hamolavola Olom-banona feno (Vatana, saina, fanahy) ny antom-pisian’ny Sampati eo anivon’ny fiangonana FJKM manerana ny Nosy.

Naneho ny fahavononany hatrany hiantsoroka ireo Adidy aman’andraikitra ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Sampati “Salohy faha enina” ao amin’ny FJKM Soanierana. Hitohy hatramin’ny desambra enina ambiny roampolo sy roarivo ny fanamarihana ny faha 56 taonan’ny Sampati “Salohy faha enina” eo anivon’ny FJKM Soanierana.

Vous aimerez aussi