SANGAN’ASA VAOVAON’NY MPANAKANTO SYLVAIN SUBERVIE : Hampirantiana amin’ny alalan’ny « Vertige de la cour »

Ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fampirantian’i Sylvain Subervie, eny amin’ny trano fonenany sady toeram-piasany eny Antanetibe Ilafy Ambatobe, no hetsika hotanterahan’ity mpanakanto Frantsay ity sy ireo mpiara-miasa aminy, ny 17 aprily 2025.

« Vertige de la cour » no iantsoana izany sangan’asa vaovaon’ny mpanakanto izany. Sary sokitra vita amin’ny vy izay ampiarahana amin’ny vato cristal ity hampahafantarina hatramin’ ny 30 May 2025 ity. Karazana vy miisa 200 miampy vato cristal amin’ny endrika maro samihafa no nokirakirain’ity mpanakanto izay hanasongadina ny asa tanany ity mandritra io fampirantiana io. Izy ireo izay ahitana fanaka sy jiro ary fanaingoana trano isan-karazany. Ny mpanakanto Sylvain Subervie izay efa nanatontosa hetsika ara-javakanto sy kolontsaina nandritry ny 30 taona teto Madagasikara dia tsy mitsahatra mitrandraka izany sehatrasa mahakasika ny vy izany hatramin’izao. Fampirantiana nampiavaka ny mpanakanto Sylvain Subervie izay efa nandraisany anjara ny « Guerriers de bouclier » sy ny “Embouteillage” ary ny « Banc de Poissons ». Ity farany izay notontosaina teny amin’ny parvis Analakely, ny taona 2014.

Anisan’ireo misedra olana eo amin’ny fitadiavana akora fototra tahaka ny vato cristal eto amintsika amin’izao fotoana izao ity mpanakanto ity raha manafatra vy any am-pitan-dranomasina hatramin’izay ka hatramin’izao, ny tenany. Na izany aza anefa dia miezaka manome fahafaham-po ireo mpankafy sy mpanjifa ny asa tanany ny mpanakanto Sylvain Subervie izay 75 taona, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi