SEHATRA FAMORONANA ASA : Amperiny ny « Millennial Academy »

Ny mpanorina ny « Millennial Academy », nianatra tany Amerika ny tovolahy.

Raha toa ka novolavolaina sy nobeazina ary nampianarina ho « Mpitady asa » hatrany ny tanora malagasy hatramin’izay dia ny hahatonga azy ireo ho afaka hamorona asa avy hatrany no antom-pisian’ny « Millennial Academy ».

Fiofanana anatin’ny 02 volana no hatrehin’ireo mpiofana, hoy i Justino Hermann Raharizoandrinirina, ity farany izay angady nananana sy vy nahitana ny « Millennial Academy » niorina ny volana jona 2021 lasa teo. Rehefa avy nandalim-pahaizana sy nahavita ny fianarany tany Etazonia ny tovolahy.

Ankoatry ny fanolorana fampianarana eo amin’ny lafiny fiteny vahiny toy ny anglisy izay tsy afa-misaraka amin’ny fikirakirana ny fandraharahana saika maneran-tany ankehitriny dia manaraka fiofanana momba ny teknikan’ny fandraharahana, hay tarika sy fitantanam-bahoaka « Leadership ». Ny « Tell éducation » (Technologie, Entrepreneuriat, Langue, Leadership), araka izany, no fototra ijoroan’ny fampiofanana atolotry ny « Millennial academy ».

Tsy manana ahiahy intsony na tahotra fa miroso ampahantoniana sy ampahavononana hibata fahombiazana avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny tetikasa nofinidiny ireo mpiofana, hoy hatrany ny mpanorina ny « Millennial Academy ». Misy hatrany ihany koa ny tantsoroka sy ny fanolorana toro-hevitra ho an’ireo vita fifofanana ka efa manatanteraka ny sehatrasany.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa manana fiaraha-miasa akaiky sy matotra amin’ny Anjerimanontolo any Amerika ny « Millennial Academy » izay miorina etsy Antanimena ambany akaikin’ny « bassin ». Tolorana takila manamarika ny nahavitana ny fianarana ireo mpiofana.

Vous aimerez aussi