Mbola malalaka tanteraka ankehitriny ny sehatrasa mahakasika ny “Paramédicaux” raha ny eto Madagasikara manokana no resahana indrindra fa eny amin’ireny Sampan-draharaham-panjakana ireny. Mbola tsy mahasahana ny isan’ireo mpiasan’ny fahasalamana amperinasa amin’izao fotoana izao ny filàna misy eto amintsika.
Anisany antony ironan’ireo tanora mpianatra misehatra amin’izany Lalam-piofanana izany aorian’ny fahazoana ny diplaomam-panjakana Bakalorea. Anisan’ireo Sekoly Ambony tsy miankina manompana ny Lalam-piofanana ho amin’izany “Paramédicaux” izany ny ao amin’ny In.S.P.ALM. Na ny kalitao na ny tolotra omen’ny Sekoly ireo tanora mpianatra hisafidy ny Lalam-piofanana momba ny “Sage-femme” sy ny “Infirmier” ao aminy araka izany dia tena miavaka tanteraka ho an’ireo tanora mpianatra manana ny diplaomam-panjakana Bakalorea. Maimaim-poana avokoa na ny fiofanana na ny fampiasana ny “connection”. Ny Sekoly Ambony tsy miankina In.S.P.ALM izay mandefa tanora mpianatra any ampitan-dranomasina mba handranto fahaizana amam-pahalalana mahakasika izay “Paramédicaux” izay sy izay Lalam-piofanana mifandray aminy izay.
Ny Lalam-piofanana mahakasika ny “Paramédicaux” rahateo dia efa tena mihamahazo vahana tanteraka amin’izao fotoana izao any ampitan-dranomasina. Ny Sekoly Ambony tsy miankina “In.S.P.ALM” ihany koa dia mizara torolalana sy torohevitra ho an’ireo tanora mpianatra mba hahafahan’izy ireo manangana ny orinasany. Ny 13 Novembra 2025 ny fandraisan’ny Sekoly ambony tsy miankina In.S.P.ALM, ireo mpianatra vaovao, araka ny fanazavan’ny filoha mpamorona ny Sekoly ambony tsy miankina In.S.P.ALM, Andrianandraina Heriniaina.
