SEKOLY TSY MIANKINA : Mitaky ny hanafoanana ny fandoavana hetra

Ho tataovan-ketra ny sekoly tsy miankina atsy ho atsy. Manoloana izany, maro amin’ireo tompon’ny sekoly tsy miankina no efa mitaraina fa tsy ho zakan’izy ireo ny hanefa izany. « Ankehitriny, efa sahirana amin’ny fanefana ny karaman’ireo mpampianatra sy ny pitsopitsony ara-bola hampandehanana ny sekoly izahay », hoy ity mpitantana sekoly tsy miankina iray naneho ny heviny, nefa mbola hiampy ny fanefana ny hetra ihany koa izany ». Marihana fa ny 10 % amin’ny vola azon’ireo sekoly tsy miankina no tataovan-ketra ho takiana amin’izany.

Ho lasibatra ireo Ray aman-dreny

Anisan’ny ho fiantraikany mavesatra any amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra noho ity fitakiana hetra kasaina hatao amin’ny sekoly tsy miankina ity ny hisian’ny fampiakarana ny sarampianarana indray. Mety ho maro amin’ireo sekoly tsy miankina ihany koa no hanakatom-baravarana noho ny tsy fahazakan’ny maro amin’izy ireo ny fandoavana ny hetra noho ny tsy fitovian’ny fidiram-bola eo amin’ireo samy sekoly tsy miankina. Nomarihan’ireo mpitantana sekoly tsy miankina fa tsy varotra akory ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ka ho takiana hetra. Nanamarika ihany koa izy ireo fa efa mandray anjara mavitrika amin’ny fanomezan-tanana ny fanjakana eto Madagasikara ho fampandehanana ny fampianarana. Notsongain’izy ireo tamin’izany ny fandraisana andraikitry ny sekoly tsy miankina amin’ny fanatanterahana ireo fanadinam-panjakana toy ny lafiny fanaraha-maso ireo mpiadina, ny fitsarana ireo taratasim-panadinana, sns. Mila apetraka, araka izany, ny tery omby ririnina, tsy hahafaty ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany. Raha izay no tanteraka, hirindra sy hilamina ary hahitam-bokantsoa ny lafiny fanabeazana eto amintsika.

Vous aimerez aussi