Taorian’ny fodiamandrin’ny filoha teo aloha Tantely. Ity farany izay filoham-paritry ny “Sendika Mpandraharaha Harena an-kibon’ny tany Malagasy Kristianina” ho an’ny faritra Anosy, Distrikan’ny Betroka dia i Raberiarivelo Andriatiana F no voafidy ho filoha vaovao hitarika ny Sempahmakri any an-toerana. Taorian’ny fanatanterahana ny fifidianana, nandritra, ny fivoriam-be tsy ara-potoana notanterahan’ireo mpikambana tany an-toerana.
Ny hanohy ireo asa efa natomboky ny filoha teo aloha toy ny fampidirana anatin’ny sehatra ara-dalana sy ny fanamorana ny fahazoan-dalana mitrandraka ho an’ireo mpitrandraka madinika ao amin’ny faritra atsimo ary ny fanorenana birao fiasana ho an’ny Sempahmakri Distrikan’ny Betroka miampy ny tranom-bakoka ho Fampirantiana ireo otrikarena any an-toerana. Ireo no ampahany amin’ireo asa efa an-dalam-panatanterahana, ho an’ity filoham-paritra vaovao amperinasa ity. Marihana fa voasokajy ho “Zone pilote” faritra filamatra ny Distrikan’ny Betroka ho an’ny Sempahmakri nasionaly noho izy manan-karena harena an-kibon’ny tany marolafy toy ny mica, safira, cristal ary ny apatite izay mampalaza ny Distrikan’ny Betroka maneran-tany.
Nanterin’ny filoham-bononahitry ny Sempahmakri Rakotoniaina Jean Valentin “Ranaina apatite” ny tokony hanamorana ny fahazoan-dalana hitrandraka ho an’ireo mpitrandraka madinika manerana ny Nosy mba hahafahan’izy ireo misitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana ireo otrikarena. Manantena sy miandrandra izany rahateo ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany manerana ny Nosy amin’izao andron’ny fanavaozana sy fanorenana ifotony izao mba tsy ho ireo teratany Vahiny indray no hiliba sy hitavana ireo otrikarena fananan’ny Malagasy.


