SENATERA – DEPIOTE : Manao adin’ankizy

Fifandrafiana tanteraka no misy eo amin’ny fifandraisan’ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena noho ity resaka volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2020 ity. Fe-potoana fohy monja manko no tsy andrin’ireo Solombavambahoaka ka nahatonga ny tsi-fifankahazoana ho lalina dia lalina.

Tsy tonga tamin’ny 12 ora

Notsipahin’ny Depiote ny fanitsiana fito nataon’ny Senatera ka dia naverina amin’ny endriny teny am-boalohany ihany ilay tetibolam-panjakana.

Tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva tany ho any no vitan’ny Solombavambahoaka ny famakiana faharoa ity volavolan-dalàna ity, ka nalefa teny amin’ny Antenimierandoholona indray. Rehefa teny Anosikely anefa izany dia voalaza fa tsy tafaverina ara-potoana teny Tsimbazaza mba hisian’ny famakiana azy fanintelo indray. Voatery nofaranana ny fotoam-pivoriana, hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa, satria tsy tonga mialohan’ny tamin’ny 12 ora alina izany. Tsy maintsy hajaina ny fe-potoana napetraky ny lalàmpanorenana, hoy izy. Noho izany, ara-dalàna ny fanakatonana ny fotoam-pivoriana, ny 13 desambra.

Tonga tamin’ny 11 ora sy sasany

Tsy sakana tamin’ny fandinihana ity volavolan-dalàna ity ny Senatera, hoy kosa ny Filohany, Rivo Rakotovao na dia volavolan-dalàna fito aza no nodinihana.

Tonga teny Tsimbazaza tokoa Ramatoa SG-nay, hoy izy, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina mahery kely, kanefa dia tsy navela niditra intsony. Eny na dia efa nifampiantso an-telefaonina aza izahay sy ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Dia nambara fa tsy tonga tany, hono, ny volavolan-dalàna avy amin’ny Loholona.

Kilalaon-jaza

Lasa kilalaon-jaza kanefa zava-dehibe eo amin’ny fiainam-bahoaka ny fandinihana itony tetibolam-panjakana itony. Ary anefa dia atao kitoatoa tahaka izao.

Tsy lefitra tokoa ve ny minitra vitsivitsy ahazoana miandry ilay volavolan-dalàna ? Olon’ny lalàna ny rehetra kanefa olon’ny finoana ihany koa, ka tokony handeha araka ny fahasoavana, satria soa ho an’ny vahoaka ny volavolan-dalàna tahaka itony.

Toa heverina fa kajy politika maty paika ihany ny tahaka izao satria dia ny Filoham-pirenena no hamoaka ny hitsivolana mikasika ity tetibolam-panjakana ity, araka ny lalàmpanorenana and.92, al. 5 rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fahefana mpanao lalàna roa tonta.

Vous aimerez aussi