« Semphamakri » Sendika Mpandraharaha Harena ankibon’ny tany Malagasy Kristianina. Ny Semphamakri izay federasiona iray anatin’ny SEKRIMA « Sendikà Kristianina Malagasy ». Antom-pisiany ny hampivondrona ireo mpisehatra sy mpandraharaha isan-tokony eo amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany sy ny hampiditra ireo mandraharaha eo amin’ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany ho ao anatin’ny sehatra manara-dalana (Secteur formel). Mijoro hiaro ihany koa ny tombontsoan’ireo mpikambana sy ireo mpisehatra ary mpikirakira ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara ny « Semphamakri » amin’ny maha Sendikà azy.
Tombony lehibe ho an’ny « Semphamakri » ny fisian’ny rantsana misahana manokana ny fikarohana sy ny fanomezan-danja ireo otrikarena (Recherche et valorisation des ressources). Ny fananan’ny « Semphamakri » ny sampana misahana manokana ny fikarohana sy ny fanomezan-danja ireo otrikarena dia ahafahan’ity Sendikà ity mamaly mivantana sy anatin’ny fotoana fohy ny filana rehetra takian’ireo mpandraharaha eo amin’ny lafiny harena ankibon’ny tany. Misy ihany koa ny misahana ny sehatry ny fiarovana sy fanarenana ny Tontolo iainana izay anisan’ny olana mety ho lasa sakana ho amin’ny fitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Manolo-tanana amin’ny Minisitera misahana sy miahy mivantana ny harena ankibon’ny tany sy ireo ambaratongam-pahefana mahefa voakasik’izany ny « Semphamakri » ho amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany anatin’ny fomba fiasa mangaharaha sy matihanina amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia. Ny fisian’ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara izay antoka iray lehibe hahafahana manatanteraka ireo vinam-pampandrosoana raha toa ka tsara tantana sy manaraka ny fenitra ary ny lalàna mifehy ny fikirakirana azy.
Marihana fa mandia ny faha herintaona nijoroany ankehitriny ny « Sempahmakri » izay tarihan’ny filoha nasionaliny Ratsimbazafy Elinirina. Sehatrasa hotanterahan’ny « Semphamakri » ato ho ato ny fidinana ifotony any amin’ny faritra Anôsy « Zone pilote » ho amin’ny fametrahana ny birao sy ny masoivoho ary ny fampahafantarana amin’ireo mpikambana ifotony ny lalàna vaovao mifehy ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Hitohy any amin’ny faritra avaratry ny Nosy izany. Nandritra ny fihaonambe nandraisan’ireo mpikambana avy any amin’ny faritra anjara izay notanterahana teto Antananarivo ny faran’ny herinandro dila teo no nanatanterahan’ny « Semphamakri » ny fankatoavana ny fitsipika anatiny nasiam-panitsiana sy ny nirosoan’izy ireo tamin’ny fanavaozana amin’ny ampahany ireo mpikambana mandrafitra ny birao mpanatanteraka. Nandritra izany ihany koa no nanoritana ny vinanasa manaraka hotanterahan’ny « Semphamakri ».
