SOA RADIO : Mbola ifandroritana amin’ny Minisitra teo aloha

Niakatra teny amin’ny Fampanoavana androany maraina, ny raharaha Soa Radio. Raharaha izay nitoriana ny Ministra teo aloha, Andrianjato Vonison Razafindambo. Nampangaina ho nangalatra ny fitaovan’io onjampeo io, sy fifanolanana momba ilay maridrefy ampiasain’io onjampeo io no vontoatin’ny raharaha.

Samy milaza azy ho manana taratasy na ny andaniny na ny ankilany. Ny iray manana taratasy avy eny anivon’ny Artec ny taona 2015. Ny Ministra teo aloha kosa manana taratasy avy eo anivon’ny Ministera mpiahy tamin’ny taona 2017.

Nitranga ny olana nanomboka ny volana marsa lasa teo ka tamin’iny herinandro iny no nandalo Fampanoavana voalohany. Nahemotra androany maraina anefa ny raharaha satria hoe hanaovana fandinihana lalina.

Mifampitory anefa ny roa tonta tamin’izao raharaha izao, ka ny Ministra teo aloha nampangain’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Aina ho nangalatra fitaovana. Ity farany indray nampangain’ny Ministra teo aloha ho nivadi-pitokisana.

Koa rehefa nandalo Fampanoavana androany ny roa tonta dia samy nahazo fahafahana vonjimaika, na I Aina na ny Ministra teo aloha. Koa amin’ny 27 jolay ho avy izao indray ny tohiny.

Tsy faly noho izao raharaha izao anefa ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Aina ka nanao fanakanana tamin’ity anio ity ihany satria ireo fitaovana iadiana dia any am-pelatanan’ny Ministra teo aloha. Nalahelo noho izao fanapahan-kevitry ny Fitsarana izao izy ireo ka izay no nahatapa-kevitra azy hanao fanakanana.

Vous aimerez aussi