Ny alarobia 10 Martsa ho avy izao dia hikarakara kopia nahaterahana faobe ho an’ireo ankizy maherin’ny 100 ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany fahatelo, ramatoa Anyah. Araka ny fanazavan’ny delegen’ny Boriborintany fahatelo, atoa Ramiandrisoa Lalaina, dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny 8 Martsa izao hetsika hataon’ny solombavambahoaka Anyah izao. Voalaza fa ireo ankizy mbola tsy nahazo kopia hatramin’izay, no karakaran’ity solombavambahoaka ity. Ny depiote Anyah no voalaza fa miantoka ny lany rehetra ary amin’io andro io no hizarana izay kopia faobe ho an’ireo ankizy izay, hoy hatrany ny tatitra voaray.
