Nametraka taratasy fitoriana any amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, ny Solombavambahoakan’ny distrikan’Arivonimamo, manoloana ireo vono, fandratrana sy ompa ary fisamborana tsy ara-dalàna nampiharina taminy indrindra fa ny fanerena azy haka sary tamin’ny basy. Tranga izay niseho teny Tsiadana nandritry ny hetsi-bahoaka niarahana tamin’ireo tanora mpianatra sy ireo olon-tsotra. Tanjona amin’izao fametrahana fitoriana izao ny mba hahafahana manasazy ireo mpanao ratsy satria tsy rariny ireny. Eo ihany koa ny tsy hiverenan’ny tranga tahaka ireny intsony eto amin’ny tany sy ny fanjakana, araka ny fanazavan’ny Solombavambahoakan’ny distrikan’Arivonimamo, Rajerison Antoine. Ankoatra izay dia nanambara ity Solombavambahoakan’ny distrikan’Arivonimamo ity, fa hijanona ho Solombavambahoaka ny tenany. Antony tolona, hoy izy, ny fitakiana fanovana fa tsy ny fitakiana seza.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

