SOMBIM-PIAINAN’IREO MPANAKANTO MALAZA : Ho harahana amin’ny fandaharana « Star Story »

Fandaharana vaovao ho harahan’ny mpankafy sy ny mpijery ny Fahitalavi-panjakana TVM izay maneho ny sombim-piainan’ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana izao toy an’i Mopcaan, Parish sy Maman’tsololo ary ireo mpanakanto hafa, ny « Star Story ». Isaky ny farany herinandro izany hoe isaky ny zoma sy ny sabotsy ary ny alahady amin’ny fito ora latsaka fahefany hariva no hanarahana izany fandaharana izany ao amin’ny TVM manomboka ny 9 mey 2025.

Amin’io 9 mey 2025 io araka izany no hanarahana ny fandaharana voalohany momba ny « Star Story ». Ny « Team RWIKORDZ » sy i DAVALT no tompon’antoka amin’ity fandaharana izay mitantara ny fiainan’ireo mpanakanto ity. Ireo mpanakanto ireo izay beazina mba hitondra anjara biriky amin’ny famolavolana ny mpiara-belona. Izy ireo izay miaina eny amin’ny fiaraha-monina ihany koa fa tsy hoe: ny halaza fotsiny ihany no tanjon’izy ireo amin’ny mahampanakanto azy. Hanehoan’ireo mpanakanto ireo ny mahaolombelona araka izany ny fandaharana. Hampahafantarina ny mpankafy sy ny mpijery ao amin’ity fahitalavi-panjakana ity ny andavanandrom-piainan’izy ireo any ambadiky ny sehatra mahazatra azy any.

Ireo tsy fahita andavanandron’ny mpanakanto no tena hatolotra amin’izany fandaharana vaovao “Star Story” izany izay handrosoana ny mahaliana. Ireo talentan’ireo mpanakanto malagasy ireo araka izany no hampivelarina amin’ny alalan’ny fanohanana azy ireo. Mpanohana mavitrika azy ireo amin’izany fampiroboroboana kolontsaina izany ny “Yas Madagascar”. Antony hanasongadinan’izy ireo ny fandaharana “Star Story”, araka ny fanazavan’ny mpanolotra ny fandaharana “Star Story” ao amin’ny TVM, Mialy.

Vous aimerez aussi