Ny faha-20 sy ny faha-21 aprily 2025 no hankalazana ny fetin’ny Paska sy ny Alatsinain’ny Paska. Tsy navelan’ny orinasa Star handalo fotsiny izany fotoana izany. Antony nikarakaran’ity orinasa ity fety antsoina hoe: “Star Tour Pâques Antsirabe” izay ahitana hetsika maro samihafa ho an’ny mponina eto Madagasikara. Izy io izay efa fanaon’ny Star isan-taona any amin’ny Renivohitr’i Vakinanakaratra.
Ho an’ity taona ity dia natomboka ny 10 aprily 2025 tany amin’ny tanànan’Antsirabe ny fankalazana ny fetin’ny paska. Amin’ny alalan’ny fanentanana eny amin’ireo tsena lehibe sy ny toeram-pisakafoanana ary ireo tobin-tsolika no hanatanterahana izany. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny lanonana manoloana ny Gara any Antsirabe izay ahitana Tranoheva maro sy “Espace Pression” izay azon’ny rehetra hidirana. Eo ihany koa ny fanentanana miaraka amin’ny “THB 65Cl” izay ahazoana “goodies” isan-karazany toy ny “tee-shirt” sy “casquette” ary tolotra maimaim-poana eo no ho eo toy ny “Tombola Star Tour” sy ireo lalao isan-karazany. Izay mividy THB 65 cl ihany koa dia mahazo tapakila iray ka izay tsara vintana voasarika indray dia tolorana THB 65 cl mifanaraka amin’ny lanjany.
Ny 18 ka hatramin’ny 21 aprily 2025 no hanafana ity fety aman-danonana “Star Tour” ity ny mpanakanto sy ireo tarika nasain’ny orinasa Star. Anisan’izany Samoela, Reko Fy & Band, Tence Mena, Tempo Gaigy, Lico Kininike, Ckycky, Jaojaoby, miaraka amin’ireo mpanentana toa an’i Eric & Honorat sy Barhone ary Teg. Hisy ihany koa ny fanafanana lanonana iarahana amin’ny DJ Nicky Di Manu, DJ Looping sy DJ Sniper ary DJ Three T. Ireo efatra andro ireo araka izany no hifandimbiasan’ireo mpihira rehetra ireo miaka-tsehatra eny amin’ny araben’ny Gara.
Zava-dehibe amin’ny orinasa Star ny lafiny fandriam-pahalemana sy fiarovana amin’ny loza mandritra ireo hetsika rehetra ireo. Antony hitandroan’izy ireo izany amin’ny alalan’ny fisorohana izay tsy natao ambanin-javatra. Na ny lafiny fahadiovana ihany koa aza dia efa nojeren’ny orinasa Star manokana. Misy olona araka izany natokana hanadio ny toerana rehetra isan’andro. Eo ihany koa ny vata Kopakelatra izay natao hanangonana ireo tavoahangy plastika rehetra avy nampiasaina.
Mba ho fanakaikezan’ny orinasa Star hatrany ny mpanjifa dia tsy najanon’izy ireo amin’ity fety aman-danonana any amin’ny faritra Vakinanakaratra ity ny hetsika goavana karakarain’izy ireo fa nampisitraka tolotra hafa ihany koa ny orinasal Star mandritra ity volana aprily ity. Anisan’izany “Ny THB Mifety”. Izy io izay tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny « SOA NY FIARAHANTSIKA », ny labiera izay ankafizin’ny Malagasy indrindra dia manolotra fety miavaka izay ahitana fanentanana isan-karazany. Hetsika ara-mozika miaraka amin’ny mpanakanto malaza iray isan’andro ary ihany koa fanentanana ataon’ny DJ mandritra ny andro rehetra handalovan’ny hetsika any amin’ny toerana iray.
Ho an’ny eto Antananarivo sy ny Ambanja dia ny farany herinandron’ny 14 aprily 2025no hanatanterahana izany fety miaraka amin’ny “Ny THB Mifety” izany raha ny farany herinandron’ny 21 aprily 2025 ny any Mahajanga sy Toliara. Eo ihany koa “Ny Camion Tour” izay handalo any amin’ny tapany atsimon’ny nosy. Hisy fanentanana miaraka amin’ny DJ ary tombola ahazoana loka isan-karazany. Hanolotra fety tsy hay adinoina any Toliara ny 25 aprily 2025 ny orinasa Star raha ny 27 aprily 2025 no anjaran’Ihosy. Ireo hetsika lehibe telo ireo no hanamafisany orinasa ny fampahafantarana ny vidin’ireo vokatra ao aminy. Fety aman-danonana iarahana amin’ny namana sy ny fianakaviana araka izany ny “Star Tour Pâques Antsirabe”, araka ny fanazavana voaray.


