“STAR TOUR TANA 2025” : Mandritry ny telo andro ny fety

Ny 20 ka hatramin’ny 22 jona 2025 no hanatanterahan’ny Star ny “Star Tour Tana 2025”, eny amin’ny “Coliséum” Antsonjombe, amin’ity taona ity. Manodidina ny 15.000 isa isan’andro ireo ankizy sy olon-dehibe heverin’ny mpikarakara fa hampisitrahana izany fety izany. Fotoana iray natokan’ny “Star Tour Tana” iarahana mikorana amin’ny fianakaviana ao anatin’ny fitiavana mizara sy fiarahana miala voly, ny “Star Tour Tana 2025”.

Ankoatra izay dia hankalazana ny fetin’ny fahaleovantena Malagasy ihany koa. Anton’ireo fampisehoana miavaka izay arahana fanentanana isan-karazany amin’ireo fotoana ireo. Ankoatra izay dia hisy ny fifaninanana ahazoana loka sy kerimesy ary kilalao natokana ho an’ny ankizy. Eo ihany koa ireo toeram-pivarotana manasongadina ireo zava-pisotro Star izay ahitana ny Labieran’ny fahaleovantena. Izy io izay vokatra mandalo manokana mba hanamarihana ny hambom-pom-pirenena. Ny fanentanana isan’andro dia hiarahana amin’ireo mpanentana matihanina eto an-toerana toa an’i Barhone, Fou Hehy, Teg, DJ Three T sy DJ Looping ary Raerz. Fandaharam-potoanan’ireo mpanakanto hiaka-tsehatra mandritra ireo telo andro ireo dia hizara miavaka tsara. Hisantatra ny fampisehoana ny andron’ny zoma ny mpanakanto Skaiz sy Ambondrona. Hanaraka azy ireo ny sabotsy ny mpanakanto Lion hill sy Samoela. Hamarana ny fampisehoana ny andron’ny alahady, ny mpanakanto Tsota sy Basta Lion ary LJO.

Fidirana tokana no hahafahan’ny besinimaro manatrika ny “Star Tour 2025” dia ny fanjifana vokatra Star amin’ny vidiny Ar 2 000. Mba ho fitandroana ny fandriampahalemana sy ny fahadiovan’ny toerana dia hisy fepetra hentitra hapetraky ny Star tahaka ireo hetsika rehetra nokarakarainy hatramin’izay. Tanjona rahateo ny hahafahan’ny rehetra mifety ao anaty filaminan-tsaina sy ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana. Hifanome tanana amin’ny fiantohana ny filaminana mandritra ireo telo andro ireo, ireo mpitandro filaminana ireo mpiambina sivily. Hisy ihany koa ny fanentanana amin’ny fanajana ny fanadiovana amin’ny alalan’ny Kopakelatra. Ireo ekipa manokana no hanatanteraka ny fanadiovana isan’andro, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara, ny talata lasa teo, teny Andraharo.

Vous aimerez aussi