“STAR TOUR TANA 2025” : Telo andron’ny fahombiazana ny teny Antsonjombe

Nifarana ny alahady 22 jona 2025 raha nanomboka ny zoma lasa teo ny “Star Tour Tana 2025”. Ity hetsika ity izay nahavory mpifety nanodidina ny 40.000 isa. Fahombiazana tanteraka araka izany ny hetsika izay nentin’ny “Star Tour Tana 2025” nampifaliana ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny mpinamana indrindra fa ny mpifankatia.

Ny fety rahateo dia nifangaroan’ny hafaliana sy ny fankalazana ny mozika izay niarahana tamin’ireo karazan-java-pisotro Star indrindra fa ilay “Labieran’ny Fahaleovantena” izay vokatra manokana natao ho an’ny fetin’ny Fahaleovantena. Izy io izay vokatra mandalo ihany mandritry ny roa volana ka tena natokana ho an’ny fetin’ny Fahaleovantena fotsiny ihany. Fahombiazana tanteraka araka izany ireo telo andron’ny “Star Tour Tana 2025” ireo ho an’ny tompon’andraikitra mpikarakara.

Nandritra ireo telo andro ireo dia nanentana teny an-toerana i Eric Fou Hehy sy Teg. Teo ihany koa i Leagar sy Barhone ary ireo Dj isan-karazany. Anisan’izany Dj Looping sy Raerz ary Three T. Ankoatry ny fanentanana dia nahitana kilalao maro samihafa teny amin’ny Coliséum Antsonjombe, ny zoma ka hatramin’ny alahady lasa teo. Izy io izay nanome fahafaham-po ny sokajin-taona rehetra nanomboka tamin’ny ankizy ka hatramin’ny lehibe.

Teo ihany koa ny “Espace Pression” izay toerana natokana ho an’ireo mpisotro sy mpankafy labiera. Ny zoma fanombohan’ny fety no tena nampitorajofo ny kianja noho ny hamaroan’ny olona. Nanokatra ny fampisehoana tamin’io fotoana io ny tarika Ambondrona sy Skaiz. Ny andro faharoa dia ny mpanakanto Lion Hill sy Samoela no anisany niakatra teny ambony kianja.

Ny mpanakanto Basta Lion sy Tsota ary LJo no nanatontosa fampisehoana ny alin’ny alahady ka saika ireo tanora avokoa no nameno ny toerana. Nisongadina nandritry ny “Star Tour Tana 2025” ny fanentanana ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Antony nampiasan’ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny vata KOPAKELATRA izay nanangonana ireo tavoahangy plastika rehetra avy nampiasaina. Tanjona ny nanehoana ny fahavononana amin’ny fanajana ny tontolo iainana, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi