Hiakatra fitsarana ny zoma ho avy izao ny raharaha nitorian’ny dokotera Jean Pierre Rakotondranaivo an’i Tafs Ramahafadrahona izay nanodikodina vola mitentina 125 tapitrisa iraimbilanja an’ny orinasa Tasa na « Tiako ny Ala ho Salama ». Ankoatra io vola io dia nanodikodina ny fitaovan’ny orinasa mitentina 120 tapitrisa ariary ihany koa i Tafs Ramahafadrahona. Teo ihany koa ny fisandohana ny anaran’ny orinasa Tasa izay navadikany Stmad izay eny Andoharanofotsy no misy io Site an’ny orinasa Tasa io. Ireo antony rehetra ireo no voalaza fa nitorian’ny dokotera Jean Pierre an’i Tafs Ramahafadrahona. Omaly no nitory teny anivon’ny polisy judiciaire tetsy Ambohidahy ity dokotera tale jeneralin’ny orinasa Tasa ity. Araka ny fanazavan’i Jean Pierre dia notendreny ho tale i Tafs R. ary tao anatin’izany no nilazany tamin’ny dokotera fa hanangana Site 6 ary nakany vola mitentina 10 tapitrisa ariary avy. Ny Site Tasa tao Andoharanofotsy dia i Tafs no nitantana azy ary na ny fitaovana tao anatiny izay mitentina 120 tapitrisa ariary aza dia tsy nahazoan’ny dokotera Jean Pierre rapport ary tsy nahazo versement izy ary rehefa nitaky ny vola i Jean Pierre dia valiboraingina no nataon’i Tafs R. taminy. Nilaza ity farany fa hosasahana ny vola miditra amin’ny orinasa. Tsy mbola nisy orinasa na iray aza ka hizara mitovy ny vola miditra, hoy izy. Nefa, hoy i Jean Pierre fa izaho dia manana taratasy sy statistique ary ny Nif ara-dalàna ary tsy orinasa noforomporonina fotsiny io ka nojapin-dry zalahy. Rehefa notorian’ny dokotera Jean Pierre tany amin’ny polisy i Tafs R. dia namorona dosie ary zavatra tsy misy notoriany ka dia nitory an’ny dokotera koa izy. Maro ireo entan’ny dokotera tany aminy no tsy naverina ka nahatonga azy nitory koa. Nilaza indray i Tafs R. fa hananany vola indray hono i Jean Pierre, rehefa tsy hitany izay nitoriny azy. Nampangaina hoe tsy mpitsabo nentim-paharazana i Jean Pierre ary nanomboka ny taona 2009 izy no efa mpitsabo ary ny taona 2016 no mpikambana tao amin’ny ANTM. Nesorin’ny talen’ny ANTM tsy ho mpikambana tao aminy i Jean Pierre ny taona 2017, noho ny tsy fifankazahoana ary nisy aza ny fanalam-baraka nataony taminy tamin’ny haino aman-jery. I Rakotondranaivo Jean Pierre dia mpitsabo nentim-paharazana ara-dalàna ary ny filohan’ny ANTM no nametraka ny « chevalier de l’ordre » taminy ny taona 2016. Nohamafisiny fa tsy mpisoloky velively izy ary olona manara-dalana ka « io fanarahako lalàna io no mahatonga ny hafa manenjika ahy », hoy izy, « satria zatra baranahina sy tia politika sy tia kolikoly ny olona ». « Maninona raha samborina izy raha vao miakatra haino aman-jery ary tonga dia gadraina », hoy izy. Ka noho ireo antony voalaza etsy ambony ireo no nahatonga ny fitoriany teny amin’ny polisy. Ankoatra ireo fanosoram-potoka an’i Jean Pierre dia nitondra fanamarihana izy fa tsy marina ireny antsonjay natao taminy sy ny fanendrikendrehana azy ireny. Ny olona tonga mitsabo tena ao amin’ny orinasa Tasa dia tsy maintsy mivalana sy marary kibo, ohatra marary ny cacul renal, fibraoma, kista sns, dia tsy maintsy potehina ireny. Tsy aleo ve miaritra ny aretina kely dia afaka ny aretina izay tokony ho didiana, hoy izy. Ny olona misy goutte dia karazana asidra tsy maintsy esorina ary tsy maintsy mivalana ohatry ny aretin-kibo io. Raha tsy manao izay ny olona iray tonga mitsabo tena ao amin’ny Tasa dia tsy mahita fanasitranana, hoy ny dokotera. Olona manana aretina gravy tahaka izany no tonga ao amin’ny Tasa. Aretina tokony tsy ho didiana lasa didiana ka mila levonina ilay aretina ary amin’ny alalan’ny fivalanana no hamotehana azy, hoy ny dokotera Jean Pierre. Voalaza fa misy fotoana ny olona mihinana fanafody dia somary marary ny lohany, satria manana aretina mikraoba betsaka ao anatiny dia mitarika ny famotehana izany mikraoba izany ny fanafody dia potehina ny aretina ary rava izany rehetra izany. Aretina maro no tsaboin’ny orinasa Tasa toa ny alzheimer, aretin-tsaina, kohaka, diabeta, prostate ny aretina rehetra amin’ny taova dia tsaboin’ny Tasa avokoa, ankoatra ny taolana tapaka. Hitsangana manerana ny nosy ny orinasa Tasa ary hatao faran’izay haingana ny fandefasana fanafody any amin’ny faritra. 67ha, Ivato, Antsirabe ary ny any Toliary, ireo toerana ahitana ny Tasa, fa hanitatra tsy ho ela izy. Aza manaiky ho rebireben’ny olona tsy mahay na inona na inona ireo olona tonga mitsabo tena ao amin’ny Tasa. Manana ny Essai clinique sy ny observation clinique ny orinasa Tasa ary fantatry ny rehetra fa mahomby ny fitsaboana hataony.
