Tanora mahatratra 35 isa avy amin’ny firenena miisa 25 avy any Afrika sy Eoropa aryAzia no tonga eto Madagasikara nanatrika ny fiofanana iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitra-po amin’ny vakoka iraisam-pirenena sy ny ady amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireto mpandray anjara ireto izay avy amin’ny fikambanana sy « ONG » maro samihafa. Ny fiofanana nantsoina hoe: « IVY Madagascar-MadEx » no notontosain’izy ireo, tamin’izany, ny 30 aprily ka hatramin’ny 6 may 2025. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fanohanana avy amin’ny “Unesco” ity fampiofanana ity. Tanjon’ny fampiofanana ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao amin’ny fikajiana ireo harem-bakoka natoraly sy ara-kolontsaina. Tao anatin’ny fandaharam-potoan’ity hetsika ity ny fampiofanana sy ny fitsidihana an’i Ambohimanga ary ny fanamarihana ny Andron’ny vakoka iraisam-pirenena afrikanina izay hankazaina isaky ny 5 may. Eo ihany koa ny tolo-tanana an-tsitra-po ho entina hiarovana ny harem-bakoka maneran-tany.
