TANTARA ARA-TOEKARENAN’I MADAGASIKARA TAO ANATIN’NY 1.300 TAONA : Hampirantian’ny “Fthm Consulting” eny Antaninarenina

Nanomboka ny talata 23 septambra ka hatramin’ny zoma 31 oktobra 2025, dia ny tantara ara-tsosialy sy ara-toekarenan’i Madagasikara, tao anatin’ny 1.300 taona, no hampirantian’ny orinasa “Fthm Consulting” sy ny Sampana Tantara eny amin’ny “FLSH” Oniversiten’Antananarivo, eny amin’ny “Cité des Cultures” Antaninarenina.

Fampirantiana izay miompana amin’ny fampahafantarana ny rehetra fa ny tantaran’i Madagasikara izay nandalovan’ireo vanim-potoana miisa efatry ny fifanakalozana ara-barotra voalohany ka mandrak’ankehitriny dia nahitana lesoka avokoa. Antony tsy nahafahana nampandroso ny firenena malagasy. Anisan’ireo vanim-potoana ireo ny fahagola, ny faha-mpanjaka sy ny andron’ny fanjanahan-tany ary ny andron’ny Repoblika ka mandrak’ankehitriny 2025. Tanjona amin’izao fampahafantarana ny tantara tany aloha izao araka izany ny fakana lesona mba hahafahana mitondra ny tena fampandrosoana lovain-jafy izay ilain’ny Malagasy ankehitriny eto amin’ny firenentsika. Hisorohana ny tsy hamerenan’ireo taranaka aty aoriana ihany koa ny fahadisoana nisy tany aloha. Dindo iray hahafahana mamolavola ny ho avy tsara kokoa ny tantara ka rariny raha hampahafantarina ireo fara aman-dimby. Maro rahateo ireo tsy mahafantatra ny tantaran’i Madagasikara ary mihoatra lavitra noho izany aza ireo tsy mahalala akory ny tantara ara-ekonomika an’i Madagasikara. Izy ireo izay olom-pirenena tsotra na mety ihany koa mpandraharaha na ireo mpitarika sy mpanao politika.

Ilaina anefa ny mahafantatra ny tantara mba tsy hiverenana amin’ny lesoky ny mpitondra teo aloha. Manamarika ny fandrosoan’ny firenena iray ny lafiny ara-tsosialy sy ny ara-toekarenany ny tantara. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroan’ny orinasa “Fthm Consulting” izao fampirantiana nanamarika ny tantaran’i Madagasikara izao. Misokatra ho an’ny besinimaro araka izany ity fampirantiana ny tantaran’i Madagasikara ity. Tokony hahalala izany tantara manazava ny antony rehetra izany ny tsirairay, araka ny fanazavan’ireo mpikambana eo anivon’ny “Fthm Consulting”.

Vous aimerez aussi