TARIKA « AKON’I MANIA » : Mivoy ny « Kolohoto »

« Akon’i Mania », tarika mivoy sy manandratra ary mampahafantatra ho an’ny Malagasy sy ireo Vahiny ny harem-bakoka eo amin’ny lafiny hira sy mozika ary dihy izay mampiavaka ny faritra Amoron’i Mania. Ny « Kolohoto » midika hoe : « Kanto feno angovo sy angola » izay mifaka sy notrandrahana avy amin’ireo gadon-kira sy fandihy nentim-paharazana avy any Amoron’i Mania toy ny Horija, Marakely, Zafindraony ary ny Rango no voizin’ny tarika Amoron’i Mania, efa hatrany amin’ny taona 1998 nijoroany.

Manabe sy manala voly

Anisan’ireo antom-pisian’ny « Akon’i Mania » ny hanabe ny isam-batan’olona hankamamy ny fandriampahalemana, hanaja ny tontolo iainana ary ny hahafantatra ny harem-bakoka ara-kolontsaina toy ny mozika sy ny dihy hanjary ho « Kolom-piainana » hahafahana mandrindra ny fiainam-piaraha-monina.

Mampiavaka ny tarika Akon’i Mania eo am-panatontosana ireo iraka iantsorohan’izy ireo rehefa eny an-tsehatra ny fampiasana ireo zavamaneno nentim-paharazana tahaka ny jejy voatavo, valiha ary ny fianjaika nentim-paharazana mampiasa ny lamba arindrano sy ny satroka. Efa tontosan’ity tarika ity ny fampiarahana ireo zavamaneno nentin-drazana amin’ireo zavamaneno vahiny toy ny gitara, taralila (angorodao), trompette ary ny trombone ireto roa farany izay mitana anjara toerana lehibe tokoa ho an’ny fampianjaikana ny mozikan’ny « Akon’i Mania ». Miezaka mampiara-dalana hatrany ny mahasoa sy ny mahafinaritra hatrany, araka izany, ny tarika « Akon’i Mania ».

Raha tsiahivina, ny « Ry Mademozely », « Antitra ty vao be ny tanora » ireo no ampahany amin’ireo sanganasan’i Akon’i Mania netin’izy ireo namaky lay teo amin’ny sehatry ny hira sy ny mozika. Andalam-piketrehana ny kapila mangirana « Audio » hirakitra vazo manodidina ny 10 ankehitriny ny tarika.

Vous aimerez aussi