TARIKA « HERIN’NY LANITRA » : Mitory an-kira sy dihy

Mandia ny faharoa taona nijoroany ankehitriny ny tarika « Herin’ny lanitra ». Mampiasa ny talenta nomen-janahary ho amin’ny fitaomana ny Zanak’Olombelona ho tody soa aman-tsara ary tsy hisy ho diso anjara anatin’ny fanjakan’Andriamanitra. Io no antom-pisianay, hoy Ramatoa Hery, vovonana hiadian’ny lohan’ity tarika ity. Nomarihany fa ny bitsika henony niampy fahitana. Ireo no nanainga azy hirotsaka tanteraka ho amin’ny fanabeazam-boho mandrakariva ny sehatry ny mozika evanjelika sy ny asa fitoriana ny filazantsara.

Gadona maroloko, tononkira mora raisina…

Tsy mifidy ban-kira lalaovina ny tarika Herin’ny lanitra. Tsongaina amin’ireny ny mihetsika tahaka ny salegy, sud af, reggae ary havanana amin’ny famplahana ny gadona milamina ihany koa anefa izy ireo. Ny ahafahana mandona ny fo amam-panahin’ireo Zanak’Olombelona tsy ankanavaka no antony, hoy Florent Randrianina, tomponandraikitra voalohany eo amin’ny lafiny fikirakirana ny feo eo anivon’ny « Herin’ny lanitra ».

Notakarina avy amin’ireo bitsika sy antso ary fahitana miantefa amin-dRamatoa Hery ireo tononkira ary avy amin’izany ihany koa no nitrandrahana ny fomba handrindrana ireo sanganasa mba hanana endrika kanto laroina soradihy meva sy mendrika ny Tompo.

Mifandraika ary azo ambara fa mahafaoka ny endrim-piaraha-monina misy ankehitriny, araka izany, ireo tononkira voajary. Ampahany amin’ireo hiran’ny « Herin’ny lanitra » efa tsy afaka am-bavan’ny maro ny « Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa » narindra amin’ny gadona milamina « Slow » sy ny « delivrance », nampisalorana gadona mihetsika. Amperiny ho amin’ny famokarana ny rindran-tsary « Clip » n’ilay hira « Jesosy hiady ho Anay » ankehitriny ny tarika. Misokatra malalaka ho amin’ny fiaraha-miasa ho fanabeazam-boho ny asa fitoriana amin’ny alalan’ny hira sy mozika ravahana dihy ny « Herin’ny lanitra ».

Vous aimerez aussi