TARIKA KEN : Nampahafantatra ny raki-kirany voalohany “Io ary nen’lah”

Lanonana roa sosona no niarahan’ny mpanao gazety, tamin’ny tarika Ken, ny 6 may 2025, teny Ankorondrano. Teo aloha ny fampahafantaran’ny tarika, tamin’ny fomba ofisialy, ny raki-kiran’izy ireo voalohany izay nampitondraina ny lohateny hoe: “Io ary nen’lah”. Izy io izay anaty “clés USB” ka ahitana hira miisa 12. Amin’ny alalan’ny fampisehoana ny 30 may 2025 eny amin’ny La “Scène” Ivandry no hamoahana amin’ny fomba ofisialy ity raki-kira ity. Mandritry ny fampisehoana izay hanomboka amin’ny 9 ora alina dia hampiara-dalana ny gadona “Rock” izay efa nahafantarana azy hatramin’izay, amin’ny gadona hafa, ny tarika Ken. Izany hoe: ireo hira rehetra ao anaty “Album Io ary nen’lah” dia hovetsoina avokoa amin’io fotoana io fa mbola hiampy « interprétation” aza izany. Manodidina ny hira 30 eo ho eo ireo hovetsoina mandritry ny fampisehoana. Ankoatra ireo rehetra ireo dia nampahafantarin’ny tarika Ken, tamin’ity androany ity, ihany koa, ny “clip” vaovaon’izy ireo amin’ilay hira mitondra ny lohateny hoe: “Tsy laitra”. Ity “Clip Tsy laitra” ity izay efa nivoaka ao amin’ny Pejy sy ny “Youtube” androany ihany. « Asandratro avo hatrany ny “ROCK Malagasy”… » no teny filamatry ny tarika Ken izay tarihan’Andrianaharinjato Ken Thierry, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi