22 taona aty aorian’ny nijoroan’ny tarika Les Adeline, mbola lalim-paka sy voatazona hatrany ny fankafizan’ny maro ireo sanganasan’ity tarika mivoy ny hira mitaiza fanahy ity. Tsapa tamin’ireo fiakarana an-tsehatra nanao tohivakana tato ho ato toy ny tany Moramanga, Ambohitrony Andriampamaky ary ny tetsy amin’ny trano fivavahana Peniela Besarety fa vao mainka aza nitombo sy nihamafy orina hatrany ny rohim-pifankatiavana akaiky misy eo amin’ireo mpankafy sy ny tarika Les Adeline. Ireto farany izay tsy zoviana intsony amin’ny fananana tononkira mora raisina manambara ny zavamisy eny amin’ny fiainana andavanandro ary azo atao vatsin-dalana hanamafisana hatrany ny finoana an’Andriamanitra eo am-pamakivakiana ny lalan-sarotry ny fiainana an-tany.
Hipoka mpijery avoka ireo toerana rehetra nanatanterahana ireo seho. Tsapa ho samy nahazo aim-panahy sahaza azy avokoa ireo mpankafy ary azo ambara fa maro ireo voakasika manokana teo ampihainoana ireo tononkira tsara rindra sy rakotra hafatra mafonja voaravaky ny feomanga feno angolan’ireo mpihira sy ny feon-javamaneno tsara rindran’ireo mpitendry efa matihanina eo anivon’ny tarika “Les Adeline”. Nomarihan’ireo mpikambana sy ny mpandrindra ankapoben’ny tarika fa hitohy hatrany ny fikarana an-tsehatra ho fanabeazam-boho sy fanapariahana ny tenin’Andriamanitra. Anisan’ny sanganasa vaovao efa maro mpankafy ilay hira “Ny hosotrao”, noforonin’i Pasitera Sarobidy izay nahazoana akony tsara avy amin’ireo mpanjifa saika manerana ny Nosy. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa ny tarika Les Adeline ary nampanantena hatrany fa hanolotra ny meva sy hampianjaika ny kanto hatrany ho voninahitr’Andriamanitara.
