TARIKA MAHALEO : Nodimandry koa i Dadah

Nodimandry omaly tolakandro, tao Antsirabe, i Andrianabela Rakotobe, izay diso fantatra ny maro amin’ny hoe Dadah na Dadah Rabel, araka ny fiantso azy eo amin’ny sehatry ny kanto.

Teo amin’ny faha-65 taonany izy izao lasa izao ary anisan’ny andry lehibe teo amin’ny tarika Mahaleo, noho izy sady mpamoron-kira no mpitendry gitara ary mpihira ihany koa.

Nanana ny maha-izy azy tokoa i Dadah teo amin’ny sahan’ny zava-kanto, satria tsy mbola afaka am-bavan’ny maro mandraka ankehitriny ny hirany, toy ny « Hanaraka anao », « Zanako vavy », « Andriamanitra avo », « Tsara tsodrano », « Tanalahy » … sy ny maro tsy voatanisa.

Kofona dia maty tampoka

Araka ny voalaza dia avy nitsena ny zanany avy any am-pita i Dadah ary nihazo an’Antsirabe izy ireo. Nisy, noho izany, ny fiaraha-misakafon’ny mpianakavy ary nandritra izany no kofona ity mpanakanto ity, izay azo anambarana fa nisy fahasarotana teo amin’ny fisefoany. Nitambotsitra izy ary nentina tao amin’ny hopitalin’Antsirabe, saingy tsy tana ny ainy.

Ny takariva ihany moa dia efa nomanina ny fitondrana ny razana hihazo an’Antananarivo.

Mpitsabo mpandidy izy

Ankoatra ny mampalaza azy eo amin’ny sehatry ny hira dia tsy zoviana eo amin’ny resaka fahasalamana ihany koa i Dadah, satria mpitsabo mpandidy (neurochirurgien) ny tenany. Anisan’ny nanatanterahany izany asany izany ny tetsy amin’ny Hopitaly Ravoahangy Joseph Andrianavalona (HJRA), Anosy.

Lasa koa i Dadah

« Koa ». Satria vao tapa-bolana lasa izay no nandao ity tany ity ihany koa i Fafah. Fanirian’ny velona ny « ho lasan’izay ny ratsy », saingy ny lahatra dia hafa.

Efa nialoha làlana azy i Raoul, ny septambra 2010, i Nonoh ny taona 2014 ary i Fafah ny 20 oktobra lasa teo.

Ny taona 72 moa no nihazo ny tarika Mahaleo ity olon’i Betafo ity sy Nonoh rahalahiny.
Ny taona 1972, izay nisian’ny grevy no nahaterahan’ ny tarika, izay nisy azy fito lahy: Dama, Bekoto, Charles, Raoul, Nonoh, Fafah ary Dadah.

Ny ekipan’ny Agence Malagasy de Presse (AMP) dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviany ary mampahery ny tarika Mahaleo sy ny mpankafy rehetra.

Vous aimerez aussi