TARIKA « TSELATRA » : Hivazo etsy Ambohimangakely

Mandalo eto an-tanindrazana ankehitriny i Eric, lehiben’ny tarika Tselatra. Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy ny mozika rock eto an-tanàna, hanolotra, Cabaret, ny tarika amin’ny endriny feno, ny Zoma 01Martsa, ho avy izao, etsy amin’ny trano filanonana sy fisakafoana ary  fialam-boly « Madagascar Espace » By-pass Ambohimangakely, hanomboka amin’ny sivy ora alina.

Samy hoezahana ny hovazoina eny an-toerana avokoa ireo sanganasa nahafantarana ny tarika hatramin’izay, hoy i Eric mba ho feno tanteraka ny « ambiansy » eo amin’ny rehetra ho avy eny an-toerana. Amin’ny maha « vabaret » ny endriky ny seho dia hifanakaiky bebe kokoa ireo mpilanona sy ny tarika. Tsy isalasalana fa maro no tsy hatsindry ka hampiaram-peo amin’ny tarika « Tselatra » Malaka rahateo ny sehatra ahafahana milalao ao amin’ny « Madagascar Espace » By-pass Ambohimangakely ary efa azo antoka ny fisian’ny sakafo sy ny zava-pisotro amin’io fotoana io. Tahaka ny mahazatra hosantarina amin’ny fanaovana « Karaoke » sy ny fiarahana amin’ny mpikosoka kapila « Dj », hanomboka amin’ny fito ora hariva, ny fiarahana milanona anatin’ny « Zoma mahafinaritra » miaraka amin’ny trano fiskafoana sy filanonana ary fialam-boly « Madagascar Espace, etsy amin’ny By-pass Ambohimangakely.

Vous aimerez aussi