Tsy mankasitraka ny mety hiverenan’ny tetikasa fitrandrahana “terres rares” kasain’ny orinasa “Harena Resources” atao any amin’ny tangoronosy Ampasindava any amin’ny distrikan’Ambanja, faritra DIANA, ny Vondron’olona any Ifotony sy ny firaisa-monim-pirenena “OSCIE”. Mirefy 283 km² ny velaran-tany hanatanterahana ny fitrandrahana ka hiteraka fanimbana ny tontolo iainana sy ny ala voajanahary izay mirefy 2.200 ha izany. Ankoatra izay dia hanimba ny velon-tenan’ny mponina any an-toerana izany izay mivelona amin’ny voly vanille sy cacao ary kafe. Noho izany dia mitaky ny tsy hahazoan’ny orinasa “Harena Resources” lalana ireto mponina any ifotony ireto. Mangataka ny hampiatoana tanteraka ny tetikasa ihany koa izy ireo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, izay nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antaninarenina, ny alarobia 12 martsa 2025. Voka-dratsy maro samihafa no aterak’ity fitrandrahana ity na eo amin’ny tany na eo amin’ny ranomasina. Ireo akora simika ireo izay ho hampiasain’ny orinasa dia hanimba ny tany satria tsy haniry intsony ny hazo. Ambanin’ireo voly ireo no hanatanterahana ny fitrandrahana. Ho afindra any amin’ny toeran-kafa ihany koa ireo mponina ireo kanefa tsy hahavita ny fiainan’izy ireo akory ny onitra aloa amin’izy ireo. Ankoatra izay dia hampiasa rano betsaka amin’ny vavarano ihany koa ny orinasa. Izy io izay hitarika ny fahasimban’ireo zava-mananaina sy harena an-dranomasina satria hivarina any an-dranomasina avokoa ireo rano avy nampiasaina tamin’ny fitrandrahana. Hanahirana ny mponina izany satria ny velon-tenan’izy ireo mihitsy no ho voakasika. Manda tanteraka ny hitrandrahana indray ny “terres rares” any amin’ny tangoronosy Ampasindava any amin’ny distrikan’Ambanja, faritra DIANA, araka ny Vondron’olona any Ifotony. Hankasitrahan’izy ireo kosa anefa ny fanatsarana ny velon-tenan’ireo mponina any an-toerana ireo. Manao antso avo ny amin’ny tokony hanefan’ny orinasa ny karaman’izy ireo mbola tsy voaloa ihany koa ireo mpiasa indrindra fa ireo Vondron’olona eny ifotony ireo. Izy ireo izay miisa dimy arivo mahery ka mpamboly sy mpanjono avokoa, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
