TETIKASA MANOHANA IREO ZO MOMBA NY FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA : Miara-miasa ny MMPF sy ny AFD ary ny MEN

Tontosa, teny Antaninarenina, ny alatsinainy 5 may 2025, ny fampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny tetikasa filamatra mahakasika ny fandaharan’asa manohana ireo zo momba ny fahasalamana ara-pananahana na ny « PADSSR » izay vatsian’ny AFD vola. Sekoly miisa efatra eto Madagasikara dia ny Lisea Rakotoarisoa Amoron’i Mania, Lisea André Resampa Antsirabe, CEG Miarinarivo ary ny EPP Soamandrakizay, no nanombohana, ny tetikasa mba ho filamatra.

Nanomboka ny volana jona 2024 hatramin’ny volana desambra 2026 no hanatanterahana ity tetikasa ity. Izy io izay mikendry tanora miisa 6.000 ary olon-dehibe manodidina ny 3.000 isa izay ahitana ray aman-dreny sy mpanabe ary Talen-tsekoly. Napetraka ho tanjona amin’ity tetikasa ity ny hampihenana sy hisorohana ny vohoka aloha loatra eo amin’ireo tanora sy ny fihanak’ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro. Eo ihany koa mba hampiroboroboana ny fahaleovan-tenan’ireo tanora momba ny fahasalamana ara-pananahana. Ny fampiofanana ireo tanora mpanabe olon-tsahala miisa 40 izay hanentana mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana (ECS) eny anivon’ny sekoly no fomba entina hanatanterahana ny tetikasa. Lohahevitra maro no hivoizana amin’izany. Anisan’izany ny taonan’ny adolantsento, ny fahadiovan’ny vatana, ny fisorohana ny vohoka tsy irina, ny fanatanterahana atrikasa ho an’ireo fanentanana an’ireo tanora sy mpanabe ary tompon’andraikitra eny anivon’ny sekoly, ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy mpanabe tanora sy ny fananganana klioba ary sehatr’asa miaina avy any amin’ireo tanora. Tanterahana amin’ny alalan’ny fanomezana vatsim-pianarana, fametrahana toerana hahafahana mizara izay tsara ho fantatra momba ny fanabeazana ara-pananahana eny anivon’ny sekoly miaraka amin’ny fanavaozana ireo toeram-pitsaboana an-tsekoly sy fampitaovana mifanaraka amin’ izany ary ny fizarana fitaovana fampiasa amin’ny fadim-bolana eny anivon’ny toeram-pitsaboana an-tsekoly.

Tafiditra sy mifandray amin’ny politika nasionaly momba ny fanabeazana ho amin’ny fiaraha-miaina mirindra an-tsekoly (EVH) ity tetikasa ity. Ity fiaraha-miasan’ny “Mouvement Malgache pour le Planning Familial” (MMPF) sy ny AFD ary ny MEN ity izay hitarina manerana ny Nosy, araka ny fanazavan’ny Fikambanana “Mouvement Malgache pour le Planning Familial” (MMPF) sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Vous aimerez aussi