TOBIM-PIANTSONANA FASANKARANA : Nodiovina androany

Notanterahana tamin’ity andron’ny sabotsy 27 jona ity ny asa fanadiovana faobe ny tobim-piantsonan’ireo fiara misahana ny zotra rezionaly sy nasionaly, etsy amin’ny fasankarana.

Ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro sy ireo mpiara-miombonantoka toy ny sampana mpamonjy voina, ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, ny zandary, polisy ary ireo mpitatitra sy mpivarotra eny an-toerana. Ireo no nifandrimbona nanao ny fanadiovana, izay mitotaly hatrany amin’ny 400 isa.

Fiomanana amin’ny fisokafana

Ny fiomanana amin’ny fiverenana miasa ho an’ireo zotra nasionaly sy rezionaly no antony nanosika anay nandray anjara mavitrika tamin’ny asa fanadiovana, hoy ireo mpitatitra. Tsapa, hoy hatrany izy ireo fa anisan’ny fepetra tsy maintsy ho takian’ny fanjakana ny fikajiana ny lafiny fanadiovana.

Miandrandra fatratra ny ahafahan’izy ireo manohy ny asa fitaterana mihazo ny faritra, araka izany, ireo mpitatitra ao anatin’ny zotra nasionaly sy rezionaly ary ireo mpivarotra izay samy mampiasa ny toby etsy amin’ny fasankarana. Mila fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana anefa ny hahafahana manatanteraka izany mba tsy sanatria vao mainka hampihanaka ny covid-19 any amin’ny faritra. Ny lahateny hataon’ny filoham-pirenena, rahampitso, alahady, no hamaritra ny mety hisokafan’ny zotra nasionaly sy rezionaly eto Madagasikara na tsia. Mila fandanjalanjana fatratra ny fandraisana fepetra manoloana ny mbpola fihanaky ny covid-19 eto Antananarivo ankehitriny.

Vous aimerez aussi